Manitsaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny miaramila britanika (anglisy) miisa 22 ny 28 septambra 2023 teo, izay niondrana tamin’ny fiaramanidin’ny tafika britanika « RRR6680, immatriculée ZZ171 », izay an’ny « Compagnie Aérienne Royal Air Force de L’Armée» niainga tao Barhain izy ireo .
Manahy ny fifandonana ataon’ireo mpifanandrina ara-politika ny Foloalindahy malagasy arak’izany. Koa dia hiomana amin’ny alalan’ny angaredona ara-tafika izany ny Foloalindahy malagasy sy ireto andian-tafika britanika ireto. Ny mpandinika ny fiainam-pirenena dia nanipika fa misy ifandraisana tamin’ny fihaonan’ny filohampirenena roa tonta, Emmanuel Macron sy ny Printsy Charles William andro vitsivitsy lasa izay, dia io fanapahan-kevitra io amin’ny fandefasana ireo andian-tafika britanika ho aty Madagasikara. Sanatriavina ve ny hamerenana antsika malagasy ho zanatany Anglisy indray ? Iaraha-mahalala fa mandalo fotoan-tsarotra koa ny firenena frantsay amin’izao fotoana. Sempotra koa angamba ny filoha frantsay ka niantso vonjy tamin-dry zareo Britanika satria tsy afaka ny hisahana samirery ny lafin’ny ara- jeo-politikan’i Madagasikara intsony izy.
Raha izany no mitranga hoy ny olona sasany dia ho very fanindroany indray ny fiandrianam-pirenena malagasy sy ny an’ireo Foloalindahy. Mibaribary fa tsy afaka hiantsoroka ny fandriampahalemana eto Madagasikara ny Foloalindahy malagasy, izay tandroka aron’ny vozona araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Tsiahivina fohy ny tantara tamin’ny nikatsahana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Maro ny mpitolona tia tanindrazana niantafika no namoy ny ainy. Teo koa ireo novonoina tsy ara-drariny na nalatsa-drà, notapahin-doha sy ny maro tsy voatanisa. Ankehitriny, dia raraka fahatany ny ràn’ireo namoy ny ainy hatramin’izao, tsy manana ny hasiny ireny, vokatry ny fitiavan-tena imasoan’ireo mpanao politika tsy misy fitsaharana, toy ny ataon’ireto kandida milaza hilatsaka filoham-pirenena, ary ireo mpanohitra mitady seza sy very tombotsoa ireo. Rehefa latsaka an-katerena ny mpitondra malagasy amin’izao fotoana dia hain-dry zareo ny manao pi-maso ny tafika malagasy amin’ny alalan’ny tambin-jo ho azy ireo izay mitentina 2 miliara ariary . Dia tongatonga ho azy ve ny fizarana tambin-jo ho an’ny Foloalindahy malagasy, sa ho may Ambondrona ?
Ireto miaramila britanika 22 ireto , araka ny loharanom-baovao dia ambara fa hanao ny andrana ara-tolotra momba ny asa manokan’ny Radisson Blu eto Madagasikara. Feno Radisson Blu maneran-tany koa nahoana hoy ny mpandinika ny fiainam-pirenena no eto no nosinganin’ireo miaramila britanika manokana ? Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha hoy ny mpandinika .