Dinio tsara amin’ny saina tsy miangatra iza marina no manakorontana ny fianam-bahoaka?
Satria ve vahoaka maro an’isa mahantra, noana, tsy avela anan-tsafidy malalaka, tsy manana hery sy basy aman-tafondro dia tsy mahazo miteny miaron’ny zony? Aoka izay ny didiko fe lehibe, toy ny tamin’ ny andron’ny fananjanahatany. Ampy izay.
Ny demokrasia ve dia tokony havadika ho “jadona” fampitahorana ny vahoaka amin’ ny alalan’ ny polisy, miaramila sy zandary mitana basy, izay baikon’ireo nahazo “Galona” avy amin’ny filoha efa niala (manana zo feno frantsay), nefany dia tomponandraikitra eo anivon’ ny tandroka aro ny vozona ny firenena Malagasy? Ny demokrasia ve dia tokony havadika ho “jadona” ataon’ny olom-bitsy nahazo fahefana tamin’ny alalan’ny didiny izy ireo izay tsy mifanaraka amin’ny lalàna izay heken’ny maro ? Tsy tokony ho laharam-pamehana ve ny fananganana fomba amampanao sy fietsika mendrika izay hiadanan’ ny ambany lanitra, fietsika manamora ny fiainam-piarahamonina manontolo ao anatin’ny fitoniana sady lavitry ny tsy fandriam-palemana?
Ao anatin’ny fotoan-tsarotra toy izao lalovan’ny firenena izao no tokony hibanjinana ny hoavy ny Malagasy rehetra. Raha Malagasy marina ireo tomponandraikitra be “Galona”, nadanin’ny ny Malagasy ny herim-pony amin’ ny alalan’ny fandoavana ny hetra , izay nahazo “Voninahitra” sy “Galona”, ka mitsinjo ny fitoniana sy fandriampalemana marina ho any Malagasy rehetra, dia MAMPIATRA ny kolontsaina malagasy izay manome ny vaholana mba tsy hisian’ny krisy dia: MIHAINO, MIARO ary MAMPIATRA NY MARINA izay mahasoa ny Malagasy maro an’isa.
Ambon’ izany, fantatra fa rehefa tonga ny taona izay hisontro-nareo ronono” dia mbola mandray vola aman-tapitrisa ariary isam-bolona ianareo be “Galona” mandram-pahafaty anareo., dia mety amin-nareo ve ny fijerena fotsiny ny zavatra tsy mety izay mitondra fangirifina ny Malagasy maro an’isa izay hampiadana anareo any aorina?
Fotoana izao hamalina ny valim-babena tompoko raha mbola misy Rà Malagasy mikorina ihany ao amin-nareo. Fotoana izao HiHAINONA ny malagasy sy HANAJANA ny zo maha olom-belona ny Malagasy mitovy Rà amin-nareo. Mihaino, Harovy ny zohan’ny Malagasy maro an’isa izay miady hanajana ny zony. Ny Malagasy dia mikatsaka foana ny mahasoa azy ary tsy mamboly korontana mihitsy fa ireo olom-bitsy izay mahazo tombotsoa miopapana sy tsy aran-drariny no tsy tia fivoarana sy fanovana no mamboly fanankorotana amin’ny hendriny maro samiafa satria raha misy fiovana sy fanovana ho tombotsoa ny daholo be dia ho sahirana izy ireo satria zatra lalan-dririnina efa aman-taona maro izao.
MIHAINO, HAJAO ary HAROVY ny zo maha olombelona ny Malagasy mitovy Rà aminao!
La gazette de la grande île
01/10/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312889
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »