Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vohipeno : May ny tanàna, nifanafika ny polisy sy zandary ary ny vahoaka

La gazette de la grande île
02/10/202344 second read

Androany alatsinainy 2 Oktobra 2023, dia nisy ady nitranga teo amin’ny mpitandro ny filaminana izay ahitana ny polisy sy ny zandary ankilany ary ny fokonolona andaniny. Zandary iray no voalaza fa naratra.
Nisy olona iray no vonoan’olona. Nalain’ny polisy ilay namono. Tonga nefa ny depiote iray any an-toerana ka nentin’ny nandositra any Manakara ilay mpamono olona. Tezitra noho izany vahoaka ka nandeha teny amin’ny biraon’ny polisy. Nitaky ny hamerenana azy ny vahoaka nefa tsy nanaiky ny polisy. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta . Tonga ny zandary nanampy ny polisy. Nihamaro koa ny vahoaka ka sakoroka no nitranga. Nampiasa basy sy baomba ny mpitandro filaminana ireto nefa tsy nitsoaka ny vahoaka. Nisy ny trano maro May vokatr’izany. Tapaka tanteraka ny lalana mamakivaky an’i Vohipeno. Mikorontana tanteraka any an-toerana hatramin’ny 6 ora hariva.
Raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia tsy hijanona ny fitakiana raha tsy averina ao Vohipeno ilay nahavanon-doza.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top