Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Hetsiky ny kandida 11 : Nandamoaka aloha

La gazette de la grande île
04/10/20233 minute read

Tsy vaky sehatry ny kandida 11 ny kianjan’ny 13 may teo Analakely ny alatsinainy 2 oktobra 2023 teo. Araka ny kajy dia eo ry zareo no nanao ny famoriam-bahoaka izay tsy nahazahoana alalana avy amin’ny prefektiora. Noho izany, dia voatery nandray ny fepetra ny mpitandro ny filaminana, tamin’ny alalan’ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana manodidina ny kianjan’ny 13 may, ary hita fa tsy nahomby io tetik’adin’ny kandida 11 io fa nandamoka. Toy ny mandrebireby vahoaka ihany na ny parlemantera na ny kandida 11 satria ahitana filohampirenena teo aloha, Rajaonarimampianina Hery sy Ravalomanana Marc, ny minisitra teo aloha Hajo Andrianainarivelo, Roland Ratsiraka…. Anisan’ny mpanome baiko ireo rehefa misy ny hetsika ara-politika toy izao, dia ny taona 2002 sy ny 21 aprily 2018 izay hetsiky ny depiote 73 tamin’izany. Fantatr’ireo fa tsy maintsy mandray fepetra ny mpitandro ny filaminana. Dikan’izany , dia efa miomana ny hisedra ireo mpitarika ireo izay efa niaina ny hetsi-bahoaka hatrizay. Paik’ady efa tsy nahomby intsony no mbola enti-miady mandrak’androany. Ny vokatry ny tsy fisian’ny taratasy fahazahoan-dalana hamory vahoaka dia manosika ny mpitandro filaminana hampihatra ny lalàna. Koa rehefa mikiry ny mpitarika ny hetsika ara-politika na iza na iza dia miroso amin’ny fampiasana ny fitaovana fanaparitahana ny mpitando filaminana satria tany misy lalàna eto, andraikitr’izy ireo izany. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany no takiana hampihatra ny lalàna fa ny mpitarika hetsika ara-politika koa. Hatreto aloha, dia hita sy tsapa fa tsy tena resy lahatra tamin’iny hetsika tamin’ny alatsinainy ny vahoaka raha nahita ny sakana sy ny kirin’ireo kandida valo nihazo an’Ambohidahy, izay voasakan’ny mpitandro filaminana tamin’izany. Miandrandra fanovana ny vahoaka Malagasy saingy tsy resy lahatra ny hidina an-dalam-be intsony. Tsy nampitombo ny fari-piainana teo amin’ny vahoaka efa nandray anjara tamin’ny tolona hatrizay ny fanarahan-dia ny mpanao politika. Toy ny hetsika ataon’ireo kandida ireo, efa nisy koa hetsiky ny 73 depiote izany fa nitondra inona ho an’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ? Toa ny teo ihany no teo hatramin’izao. Atao sorona hatrany ny vahoaka malagasy, maro ny maratra, ny aina afoy amin’izany, ny miditra am-ponja tsy fidiny. Mby hatraiza ny tena foto-kevi-dehibe hanavotra ny tanindrazana? Anio miara-dia ny hetsiky ny kandida 11 na ho 13, rahampitso manangona sonia, afaka laokandro mifanenjika sy mifanebaka indray, dia mifanongana hatrany rehefa lasa ny kandida ranona avy eo. Dia mety hisy indray ny fifanarahana ara-politika hitondrana ny tany sy ny firenena satria samy te hahazo tombotsoa manokana avy, ary lasa lamokany mandavataona avokoa izay tolona politika eto amin’ny firenena. Mbola hitohy ny amboletra amin’ny fidinana hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mai ny roa tonta, dia ny kandida 11 sy ny parlemantera ; na dia efa tsy nahazo alalana hamory vahoaka eny aza. Ikotozafy omaly ihany no mbola aleksisy hita androany…

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top