Mikorontana tanteraka ny raharaham-pirenena nanomboka omaly alatsinainy 2 Oktobra 2023, noho ny fandratrana ny kandidà Andry Raobelina sy Rivo Rakotovao sy ny fisamborana ny SG ny Tim Riana sy ny mpiambina an’i Ravalomanana Marc izay nataon ‘ny zandary iny. Iretsy roa farany dia hotsaraina androany ihany teo Anosy. Maro mitsitokotoko ny mpomba ireo kandidà 12 ireto. Nisy koa ny nanao fihetsehana manodidina an’i Mahamasina iny. Ny sasany teny Anosy. Misy koa nefa no efa niandry nanodidina an ‘Analakely. Fantatra koa fa hamonjy ny kandidà 12 ny mpianatra avy eny Ankatso sy Votonvorona. Tamin’ny tolakandro teo dia navorin’ ny FFKM indray ireto 12 kandidà ireto.
Tsy milamina ny raharaham-pirenena. Manahy mafy ny tsy hisian’ny fifidianana ny feo mandeha etsy sy eroa. Misy mihitsy aza no milaza fa tsy hilamina intsony io na hisy ny fifidianana ity. Tsy azo iadian-kevitra fa hiditra krizy vaovao indray ny firenena raha ny raharaha izao no jerena.