Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Seraseran’ny mpitandro filaminana : Namaky bantsilana ny hetsiky ny kandida

La gazette de la grande île
04/10/202348 second read

Ny harivan’ny alatsinainy 2 oktobra 2023, teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely dia nisy ny fanambarana mivantana avy amin’ny mpitarika ny Emmoreg , dia ny Kolonely Randrialijon Tojo GIRGN Analamanga izany. Nivoitra tamin’ny tatitra fa nahatrarana basy efa voafahana sy antsy tany amin’ny mpiambina manokan’ny kandida Ravalomanana, ka niteraka ny fisamborana azy. Tsy nambarany ny fepetra mifanandrify tamin’ny “requisition” voarainy momba io tranga io. Araka ny lalàna hoy hatrany izy dia tsy azo atao ny mitondra basy voafahana anatin’ny hetsika “manifestation” izay tsy nahazahoana alalana teo anatrehan’ny mpitandro filaminana, midika izany fa fandikan-dalàna izany, ireny no atao hoe “manifestation armée”. Koa noraisina ny fepetra ho amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka sy ny filaminan’ny tanàna eto hoy ny Kolonely Randrialijon Tojo . Mijanona ety izahay mandram-pilamin’ny toe-draharaha politika. Vokatr’izany mpitandro filaminana enina naratra tamin’ny tora-bato, voadonan’ny fiaran’ny kandida Ravalomanana ary ny fifanosehana noho ny sakoroka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top