Mijoro, Masahia fa masina ity tany ity mba hazaonao ny anjara masoandronao.
Mahatsiaro fangirifirina ny Malagasy maro an’isa sady tsy milamintsaina intsony amin’ izao fotoana izao. Rehefa nandeha ny fifidianana dia mpivaro-tantely mividy sakay ny Malagasy maro an’isa; mivarotra ny mamy ho an’ireo izay nanao politika tsy maty manota, nefa mividy ny mangidy ho an’ ny tenany. Manome toky ry zareo nefa tsy manatanteraka feno izay hanamora sy hahatsara ny fiainan’ny Malagasy. Mazana ny fitiavan-tena sy ny tombotsony no tadiavin’izy ireo amin’ny fanaovana politika, izay maloto dia maloto; fanaovana politika eo amin’ny tokontany izay tsy madio ka mampiesona fotsiny.
Tena toy ny tonompary ny fiainana , irina ho mamy fa mafy tsy laitra. Potika e!, Simba e!, Rava e! Mangirifiry e ! Mahantra e! Hoy ny tsirairay any an-tokatrano manerana ity Nosy Malala ntsika ity.
Dia mbola tsy tanety may, tsy vohitra forehitra, dia mila tonga saina amin’ izay isika rehetra hivondrona toy ny ankohonana iray ahitana tombotsoa iombonana hanova marina ho amin’ ny tsara sy marampenitra marina mba hiadanan’ny ambanilanitra.
Ny fametrahana amin’ny azo antoka sy maripototra ary mankato ny fahamarinana ihany sy ny finoana arahan’ ASA no hiteraka sy hanome ny anjara masoandro ny hoan’ny tsirairay! Aleo misoroka toy izay mitsabo!
Aleo amin’izay mba MADIO ny tokontany i lalaovana ny Malagasy samy Malagasy eh! Fa Masina tena Masina ity tany ity.