Mihamafy ny ady politika eo amin’ny mpifanandrina roa tonta dia Andry Rajoelina sy ny kandidà 12 izany.
Raha nanao fanambarana teny amin’ny Arena teny Ankorondrano Rajoelina sy ny mpomba azy dia miziriziry fa tsy maintsy mandeha ny fifidianana ary tsy maintsy mandresy izy ny talata 3 Oktobra 2023.
An-kilany indray dia nivory teny amin’ny Hotel Le Hintsy teny Ambohimanambola ny kandidà 12 ny alarobia 4 Oktobra 2023 tontolo andro niaraka tamin’ny antoko politika 40 mahery. Hitohy ny fitakiana ka tsy hijanona izany hoy hatrany izy rehetra.
Dia mazava hoazy izany fa hangotraka ny raharaha politika. Efa mitsangana koa ankehitriny ny mpomban’ny kandidà 12 any amin’ny faritany maro toa Ambatondrazaka, Antsirabe, Mananjary ary Mahajanga.
Ny vahoaka sy ny olon-kendry dia mitaky ny fifampidinihana eo anatrehan’ny korontana izao. Samy mbola mampiseho hery aloha ny andaniny sy ny ankilany ka ho hita eo ny tohiny. Ahiana mafy ny hisian’ny krizy politika sy sosialy indray. Manahy mafy ny vahoaka.
Fitakiana ny fialan’ny kandidà Rajoelina : Tsy hihemotra ny kandidà 12
La gazette de la grande île
06/10/2023•44 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312771
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »