Na milamina ny firenena, Na mikorontana ny firenena dia tsy ho afaka hiaina am-pilaminana ny Malagasy.
Andro maro izao, ny fanambaran’i Atoa Rajoelina sy ny mpomba azy dia milaza fa tapa-kevitra izy ireo fa hanaraka ny tetiandro napetraky ny CENI ary vonona hampiasa ny heriny rehetra amin’ny ady sy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izay hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso na dia misy aza ny zavatra tokony hatsaraina mba hanaovana fifidianana madio, mangarahara sy tsy miangatra.
Laviny Atoa Rajoelina sy ny mpomba azy tanteraka ny tolo-kevitry ny hery velona maro eto Madagasikara sy ireo “Kandida” ho filoha na dia mia matanjaka andro aman-alina aza ny finoana sy ny finiavava ireo ankolafin’olona ireto sy Malagasy maro, hametraka lamina sy tokontany madio mba hanatotosona fifidianana eken’ny rehetra.
Nono ireo toe-zavatra ireo, ny andro ho avy izany dia ho kihon-dalana ho an’ny hoavin’ny Malagasy. Dingana afa indray no tsy maintsy ho atrehan’ ny Malagasy. Na milamina ny firenena dia hiaina am-pilaminana ny Malagasy na mikorontana ny firenena dia tsy ho afaka hiaina am-pilaminana ny Malagasy.