Tsy misy hevitra intsony fa tsy maintsy miongana ny fitondran’i Andry Rajoelina sy ny forongony. Tapitra tsy ho ela intsony ny werawera namitahana ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny 5 taona izay. Tapitra koa ny herin’ny vola sy ny fahefana politika izay nireharehany. Roso ny Zanahary nametraka azy teo amin’ny fitondrana io. Tsipakin’ny miala aina sisa no ataony. Nilaozan’ny Hasina sy ny vahoaka maro an’isa izy izao. Na inona na inona hataony dia tsy ho tafaverina eo amin’ny fitondrana intsony izy sy ny mpomba azy ireo. Ny fampiasa ny zandary sy ny mpitandro ny filaminana izay hery entiny hamoretana ny mpitaky ny fahamarinana sy ny fahadiovana ary ny filaminana dia mety hovadika sy hifototra any aminy koa raha tsy mitandrina izy. Be loatra ny olona tsy manan-tsiny izay nogadrainy amin’ny tsy rariny. Tezitra aminy ny Zanahary nametraka azy ka roso niala tamin’ny fitondrany io.
Tsy dia filazanay eto amin’ny La gazette ny vaovao toa itony nefa zava-misy hitan’ny olona manan-kasina izay mitazona sy miaina amin’ny fomba sy ny fady malagasy io ka lazainay ihany. « Roso ny Zanahary nametraka io fitondrana io « . Ho hitantsika eo ihany ny tohiny.
Fitondran’i Andry Rajoelina : Nilaozan’ny Zanahary nametraka azy
La gazette de la grande île
12/10/2023•55 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312772
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »