Vao miandoha ny fampielazan-kevitra momba ny fifidianana ho filohampirenena ny andro voalohany ny talata teo dia nahitana tranga mifanohitra amin’ny didy aman-dalàna sahady ny ataon’ny mpomba ny kandida Rajoelina. Teren-dRaholdina Naivo hiandany amin’ny fanohanana io kandida tohanany io ny filohampokontany ao anatin’ ny boriborintanin’Antananarivo fahadimy, eto andrenivohitra.
Raha ny marina dia karazana mpiasampanjakana eny ifotony ny filohampokontany ka tokony hanaja ny tsy fiandaniana. Ny ao amin’ny boriborintany fahadimy anefa dia ny depiote Raholdina Naivo mihitsy no mibaiko sy manery an’ ireo mpitantana fokontany hanao fampielezan-kevitra ho amin’ny kandida tohanany.
Ny filohampokontany dia isan’ny manana andraikitra amin’ny fikarakarana ny fifidianana , miaraka amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni, na ny fizarana kara-pifidianana ihany aza, nefa dia lasa manao fampielezan-kevitra miaraka amin’ny depiote Naivo Raholdina ry zareo ka ny asany amin’ny maha-filohampokontany azy no tsy vitany. Manaratsy endrika ny rantsa-mangaikan’ny Ceni ho manana fiandaniana koa izany ka tsy mety.
Tsy maintsy vakiana bantsilana izany satria mamoehitra ka aoka tsy hanaiky hoteren’ny mpilalao politika toa an-dRaholdina ho fitaovany ny filohampokontany.