Noho ny fitoniana izay katsahina eto amin’ny tany sy ny firenena, dia nandray fanapahan-kevitra ny mpitsara sivy mianadahy mandrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana etsy Ambohidahy rehefa resy lahatra tamin’ny fifampidinihana tamin’ireo kandida 12 ny alarobia teo. Ny fanapahan-kevitr’ity andim-panjakana ity namaritra fa hahemotra ho amin’ny faha-16 novambra ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filohampirenena tokony hotanterahina ny faha-9 novambra. Tampoka teo anefa dia voafafa tao amin’ny tranokalan’ny HCC indray io fanapahan-kevitra mamaritra ny daty fanemorana ny fifidianana filohampirenena io. Tsy azo ivalozana indray ve ny didy izay navoaka teny am-boalohany ka azo tsy azo raisina sy tsy mitombina ny fangatahan’ireo kandida soflera sy ny mpomba azy, dia ny fanemorana ny fifidianana filohampirenena izany ? Nivoaka tamin’ ny fomba ofisialy hoe amin’ny 16 novambra 2023 no hotanterahana indray ny fihodinana voalohany. Ny fihodianana faharoa kosa dia hizotra amin’ny 20 desambra 2023 ihany.
Azo ivalozana ny lalàmpanorenana rehefa ny ho tombotsoa ambonin’ny firenena izay mandeha mankany amin’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana, araka ny teny filamatry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Koa hisy fanovana indray ve izany ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny HCC raha tsy hita ao intsony io fihemoran’ny datim-pifidianana io ? Mba matotra ry zareo a.
Tranokalan’ny HCC : Nofafana ny fanemorana ny datim-pifidianana
La gazette de la grande île
12/10/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312804
Your IP Address: 13.59.198.150
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »