Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana

La gazette de la grande île
13/10/20232 minute read

Matsiatra Ambony
Terena hifidy an’i Rajoelina ny mpampianatra

Tsy maintsy mifidy an’i Andry Rajoelina ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana rehetra any amin’ny faritra Matsiatra Ambony
Tsy maintsy mandefa mpampianatra roa isakin ‘ny sekoly ny ao anatiny faritra ity ny zoma faha 13 Oktobra izao ao Fianarantsoa hitsena ny fahatongavan’ny Rajoelina any an-toerana .Ny didtrikani Lalangina, Isandra, Vohibato, Ambalavao, Ambohimahasoa sy IKalamavony no terena amin’ izany. Ny Dreny sy ny talen’ny EPP sy Ceg ary ny lycée miampy ny sefo-Zap rehetra ao amin’ny faritra ity no terena hampanao izany. Misy koa fanerena fiditra TGV sy Mapar na koa upar amin’izany.Mihorohoro sy matahotra ny ankamaroan’ny mpampianatra.
Marobe ny fanakianana any an-toerana amin ‘izao fotoana izao. Misy koa aza no rahonana ho gadraina sy ho roahina ireo izay mandà.
Efa fanjakana jiolahy sy baroa no iainan’ ny malagasy ankehitriny. Tsy maintsy hisy fiafarany izany satria efa be no manohitra koa izao.

Fifidianana
Mikiribiby sisa no ataon’ny Rajoelina sy ny mpomba azy

Raha mitohy izao fihetsika ataon’ny mpomba an’i ANDRY Rajoelina sy ny mpomba ay izao dia tsy maintsy hisy rotaka eto amin’ny firenena ity.
Mitombo andro aman’alina ny olona momba ny kandidà 11 izay manohitra ny tsy fetezan’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny endriny ankehitriny izao. Efa distrika maro manerana an’i Madagasikara no mitaky ny tsy hanatanterahana ny fifidianana ity nohon’ny antony maro. Isan’ny lehibe amin’izany ny maha vazaha an’i Andry Rajoelina izay tsy eken’ny lalampanorenana velively. Eo koa ny mahakasika ny HCC sy ny CENI ary ny fanonganam-panjakana natao tamin’ny filohan’ny sénat Razafimahefa Herimanana iny izay niaraka amin’ny fandrahonana ho faty ity filohan’ny andrim-panjakana ity ka tsy nandraisany ny toerana ho filompanjakana vonjy maika azy.
Roa andro izao no nanomboka ny fampielezan-kevitra nefa dia tsy misy izany manerana an’i Madagasikara. Tsy mety hihetsika amin’ny fanentanana hifidy ny vahoaka eny na dia ny mpomba an’i Rajoelina aza. Raha ny zava-misy hatreto no jerena dia azo antoka fa tsy hisy fifidianana izany aloha eto amin’ny faha 9 Novambra 2023 izao. Manaonao foana Andry Rajoelina sy mpomba azy manery ny fanatanterahana ny fifidianana ity satria tsy ho eken’ny vahoaka malagasy izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top