Isan’ny mpanao gazety andrarezina teo amin’ny etikan’ny asa fanaovan-gazety i Chef. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Banga iray indray mantsy ny laharan’ireo mpanao gazety matihanina satria nodimandry teo amin ’ny faha-66 taonany i Christian Andrianarisoa androany alatsinainy. Nanolokolo sy nampianatra mpanao gazety tao amin’ny La Gazette de la Grande Ile nandritra ny 20 taona izy raha tany amin’ny DMD (Dans les Médias Demain) no niasany teo aloha. Nohajainy ny etika momba ny asa fanaovan-gazety . Izany hoe tsy voasariky ny loko politika mihitsy izy fa nijoro hatrany ka nampita izany tamin’ny mpanao gazety zandriny. Nitsahatra tamin’izay nisasarany teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety izy amin’ny fodiamandriny izao. Ny Filoha Tale Jeneralin’ny Journal de l’Ile Rouge sy ny mpanao gazety rehetra dia maneho ny fiaraha-miory ary mampahery ny fianakaviana manontolo.
Fianakaviamben’ny La Gazette de la Grande Ile : Nodimandry i Christian Andrianarisoa
La gazette de la grande île
16/10/2023•42 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312779
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »