Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Iza marina no tokony ho tiliana ara-tsaina?

La gazette de la grande île
16/10/202351 second read

Mia sarotra andro aman’ alina ny toe-draharaha pirenenena eto Madagasikara. Ny fomba ampiarana ny demokrasia eto amintsika dia mandohalika tanteraka ankehitriny.

Tsy ny Filohan’ny Antenimierandoholona irery teo aloha no tokony hanaovana fitiliana ara-tsaina fa ireo izay mitaky sy mandrindra izany fangatahana izany hoy ny fanamarihana ny olona manam-panahy.

Ny Malagasy maro an’isa ankehitriny dia natakalon’ny mpanao politika sy ireo izay mahazo tombotsoa miaraka aminy, amin’ ny filan’izy ireo – izay tsy misy farany mihitsy-. Ny fiarovana ny fitohizany izany fomba amampanao izany no safidiny amin’ny fiainana nefa ny Malagasy dia ao anatiny fahantrana tanteraka.

Tsy tokony ho tiliana ara-tsaina koa ve ary ireo izay milaza ho manao politika hampandroso ny firenena nefa porofo mitohaka amin’ny tenda ny fitiavan-tena naseon-drizareo hitan’ny rehetra taona maro izao?

Ireo olona rehetra manam-panahy no mijery izao zavatra misy eto amin’ny tany sy ny firenena izao dia lasa heritreritra tokoa!

Aza kivy ry Malagasy mpiray tanindrazana, manam-panahy. Misy farany foana ny zavatra ratsy. Mahereza . Masina ity tany ity. Ho avy ilay masoandro anjaranao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top