Taon-dasa tsy tsaroana ve ny ady nifanandrinan’ny solombavambahoaka 73 tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery (2018). Toy ny any an-kianja fampiadina akoholahy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenana Tsimbazaza omaly talata nandritra ny lanonanam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa teo amin’ny solombavambahoaka sy ny avy amin’ny governemanta mpiara-mitantana, natrehin’ireo Vondrona iraisam-pirenena miisa 21. Horakoraka ny an’ny sahona avy amin’ny solombavambahoaka miara-dia amin’ny 11 kandida soflera. Tazana tao koa ny sora-baventy hoe « MIALA NTSAY, TSY MILA NTSAY, NTSAY DEGAGE, TSY MILA VAZAHA…., Tsiboboka kosa no mbola tompon’ny rano hatreto, dia ny avy amin’ny Praiminisitra sy ny mpiara-mitantana aminy izay mampiseho amin-kery sy fahefana aloha hatramin’izao.
Ankilany, lahateny mandrivorivo ho an’ny mpitondra mpiara-mitantana sy ny vondrona iraisam-pirenena ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine « tsy ara-diplaomasia ihany no anjaranareo… » no hafatra ho an’ity farany. Ny lahateny fanokafana avy amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard kosa teny Anosykely misy ny lapan’ny andrimpanjakana faharoa dia nanamafy amin’ny hisian’ny fifidianana filohampirenena anaty fitoniana sy fandriampahalemana satria hiatrika ny fifidianana amin’ny 16 novambra 2023.
Akory ny hagagan’ny rehetra fa mifanipaka ny lahateny avy amin’ny Andrimpanjakana roa tonta ireo. Ohatra, Razanamahasoa Christine miantso ny vondrona iraisam-pirenena hamaha ny olana misy eto, ny Jeneraly Ravalomanana kosa namaly azy hoe « Tsy tokony hisy olona avy any ivelany hitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny samy Malagasy mihitsy amin’izao fotoana izao». Tsapa hatreto fa tandindonin-doza ny firenena, sy ny vahoaka malagasy amin’izao korontana tsy misy fitsaharana izao. Mby hatraiza ny vahaolana manoloana ny disadisa ara-politika iniana volena eto, ho tombotsoan’ny firenena miandany amin’ny tombotsoam-bahoaka sa miandany amin’ireo kandida 12 ireo na ny vondrona iraisam-pirenena 21 ihany?
Solombavambahoaka : Hotsarain’ny tantara atsy ho atsy
La gazette de la grande île
18/10/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312780
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »