Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fiainam-pirenena

La gazette de la grande île
20/10/20234 minute read

Tsimbazaza
Nandika lalàna indray ny depiote TGV mpomba an’i Rajoelina

Tena sakoroka tanteraka no misy ao amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza androany alakamisy faha 19 octobra 2023. Fifampihantsiana tanteraka no zava-misy nataon’ny mpomba ny filohampirenena teo aloha Andry Rajoelina teo anatrehan’ny olona maro izay tonga teo amin’ny lapam-panjakana. Nizara ny akanjon’ny TGV izay misy ny sarin ‘ny kandidà Rajoelina ireo depiote Mapar sy ny mpomba azy. Tsy takonafenina intsony fa dia irony propagandy tanteraka irony no nataon’ ny mpomba an’i Rajoelina ireo. Tena lasa toerana fanaovana propagandy ny lapan’ny antenimieram-pirenena ity androany. Tsy vitan’izany fa mbola nitondran’izy ireo takelaka na banderole misy soratra hoe « fifidianana amin’ny 16 Novambra 2023 » koa.
Sady tsy voahaja ny maha depiote n’i Madagasikara azy ireo noho izany satria tsy depioten’ny kandidà na an’antoko intsony izy ireo rehefa voafidy fa depiote n’i Madagasikara no anarany. Manaraka izany dia fandikana lalana tanteraka no nataon’ireo depiote TGV ireo satria nanao propagandy ao anatin’ny lapam-panjakana ity. Efa tena resaka jiolahimboto tanteraka no misy ao Tsimbazaza ao ankehitriny. Mifampihantsy, mifampiseho hery ary hita fa olona vonona ny hiady sy hifamono koa.
Ankoatra izay dia ady hevitra be ny mahakasika ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine izay mitaky ny fifampiresahana sy ny fitoniana iny. Voakinan’ny depiote TGV mafy izy ary heverin’izy ireo haongana koa toa ny filohan’ny antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana koa.
Korontana tanteraka no ao Tsimbazaza ankehitriny ka tena hafana ny raharaha ao.

Hetsik’ireo kandidà 11 sy ny vahoaka

Nandrasan’ny zandary tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso indray

Tsy mijanona ny hetsika ataon’ireo kandidà 11. Omaly alakamisy 19 Oktobra 2023 dia niverina teny Itaosy sy ny manodidina izy ireo. Vory marobe ny vahoaka izay manaraka azy ireo ary tsy mitsahatra ny mitombo. Baomba mandatsa-dranomaso indray no nitsena azy ireo nataon ‘ny avy ao amin’ny zandarimaria izay tonga teny. Nikorontana ny raharaha. Ankizy kely, olon-dehibe manao fanehoan-kevitra am-pilaminana no nampiasana fihetsika feno herisetra toa izany ka voa maika nahatezitra ireo vahoaka mpitolona ireo izany ary koa ireo mpanaraka azy.
Mazava izany fa miverina indray ny herisetra eo amin’ ny raharaha ity. Milaza ny tsy hijanona ireo mpanao fihetsiketsehana ireto raha tsy tonga hatramin’ny farany ny fitakiana.
Averinay matetika fa ny zavatra toa izao no naharava ny fitondrana tamin’ny andron’ny Filoha Philibert Tsiranana, ny Amiraly Didier Ratsiraka, Ravalomanana Marc. Tokony hahay haka lesona ny mpanao politika fa mizotra makany amin’ny faharavan’ny fitondrana izao raharaha izao.

Fifidianana sy korontana politika
Nanao fanambarana Ndrenony Ramasitrakarivo Marc Brillant, mpanjakan’ny Antemoro

Nanao fivoriana tao amin’ny lapan’ny Fenovola Ivato, Vohipeno ny mpanjaka miisa 30 mahery tao Matitanana noho ny raharaham-pirenena izay atahorana mafy ny hiditra amin’ny krizy sy korontana indray. Namory ny zanany solotenan’ny Antemoro avy Antananarivo sy Manakara izy ireo tamin’ izany niaraka nandinika tamin’izy ireo ny zavatra misy marina ankehitriny.
Manambara ho ren-tany sy ho ren-danitra ny lapan’ny Fenovola-Ivato fa tsy manao politika. Nefa na izany aza dia manaraka ny raharaham-pirenena sy miresaka azy io noho ny antony manaraka iteto: ny fanjakana Antemoro izay antsoina hoe « Andriambotelo » ao Ivato Savagna no fanjakana volohany naorin’ny Mpanjaka Ramakararo teto Madagasikara ny taona 1336. Io razamben’ny fanjakana malagasy manontolo. Ny taranaky no nanjaka teto Madagasikara manontolo taty aoriana hatrany anivon’i Merina « Ambohitrabiby » misy hasin ‘ny Merina na hatrany amin’ ny Sakalava zafinimena sy ny zafinifotsy, ny Betsileo manontolo ary ny Bara sy ireo Mahafaly sy Tanosy ary ny Masikoro. Voasoratra ao anaty boky antsoina hoe Sorabe avokoa izany rehetra izany saingy hadinodino taty aoriana na nafenina koa.
Manaraka izany dia zanak’i lapa Fenovola Ivato avokoa na ny mpitondra na ny mpanohitra na ny manampahaizana na ny zaza-bodo na ny hendry na koa ny adala.
Eo anatrehan’ny antony ireo sy hafa maro koa dia manainga ny mpanao politika sy ny hery velona rehetra tsy ankanavaka i NDRENONY RAMASITRAKARIVO Marc Brillant izay mpanjaka ao Fenovola – Ivato VOHIPENO Matitanana ny HIFAMPIDINIHINA SY FIFAMPIRESAHANA fa izany ihany no lalana nataon’ Ramakararo rain’ny Fanjakana Malagasy entina nanorina ny fanjakana teto Madagasikara voalohany sy notohizan’i reo taranany ary vaha olana amin’ny disadisa politika izao.
Ny Ndrenony RALAZANY PASCAL ZAFIRAMBO TANALA avy ao Ambatofotsy IKONGO dia nanao fanambarana toa izany koa.
Nampitondrany izany fitenenana izany ny zanany Jean Luc Hariniaina sy ny Mpanjaka Tsifakasy Ramasindia « na Randriambe Jesy Rabelaolao »

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top