Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena

La gazette de la grande île
25/10/20232 minute read

Sendikan’ny mpiasa
Hampikatso ny asam-panjakana

Andro vitsy lasa izay dia nanao fanambarana ny Sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara fa raha tsy misy ny vaha olana amin’ny fanamparam-pahefana ataon’ny governemanta ankehitriny amin’ny tsy fanomezana ny tombotsoan’ny mpiasam-panjakana izay ny Praiminisitra Ntsay Christian mihitsy no misakana azy nandritra ny enina taona naha teo amin’ny toerana maha lehiben’ny mpiasam-panjakana azy sy ny maha filohan ‘ny governemanta azy, dia hampikatso tanteraka ny « administration  » ny sendikà ny mpiasa. 72 ora nanomboka ny alatsinainy 23 Oktobra 2023 no fe-potoana nomen’ ny sendikà ireto ny fitondram-panjakana ity hanomezany ny vaha olana. Tsy nisy izany ka dia izao hiditra amin’ny grevy izao izy ireo.
Anio alarobia faha 25 Oktobra dia nitety ireo ministera maro teto Antananarivo izy ireo nanao ny fanentanana momba izany. Rahampitso alakamisy faha 26 Oktobra no hanomboka ny hetsika. Ho hitantsika ny tohiny.
Raha ny fahitana ny zava-misy moa dia fanehoan-kevitra manohitra ny fitondrana Andry Rajoelina ity koa no tena anton’ny fihetsehana ity satria dia mahatsapa ny Sendikan’ny mpiasa ireto fa Andry Rajoelina no filoham-pirenena malagasy nampijaly ny mpiasa indrindra hatramin’ny taona 1960 izay

Propagandy
Toa ny tany tsy misy olona aty

15 andro tanteraka izao no nanomboka ny propagandy izay teren’ny fitondrana Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian hatao amboletra eto amin’ny firenena. Io iarahana mahita io fa tsy manaiky izany ny vahoaka malagasy ankoatran’ny ny mpomba ny fitondrana. Ireto farany aza efa maro koa no misabaka satria mahatsapa fa tsy raharahan’ny olona intsony.
Ny zava misy manerana an’i Madagasikara dia foana, madiodio ny tabilao fametrahana afisim-pifidianana ireny. Tsy misy sary na iray aza. Midika izany fa tsy mety hoan ‘ny malagasy ity fifidianana ity. Mahatsapa ny vahoaka fa tsy hadio izany. Azo antoka fa ny fa ny fangalaram-bato sy ny hosoka no efa hita. Tsy hita intsony ny hafanam-po ny malagasy hifidy ny filoham-pirenena intsony noho izany. Maro ny fanehoan-kevitra mahakasika ny fifidianana ity. Amin’ny ankapobeny dia tsy manaiky izao fomba itondrana sy anerena vahoaka hifidy ny malagasy. Toa ny tany tsy misy olona intsony eto Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top