Tena efa aloan’ny olona tanteraka ‘y filoha teo aloha Andry Rajoelina ity. Noporofoin’ny vahoaka teny amin’ny 67ha Antananarivo izany ny alarobia faha 25 Oktobra 2023. Hanao propagandy teny no diany niaraka tamin’ny Jean Nirina lehiben’ny fikambanana Hafari. Ity Jean Nirina ity izay mirehareha fa mahazaka ny ambanitanana eto Antananarivo.
Loza nefa ny zavatra nitranga fa tsy nisy olona tonga nanatrika ny propagandy nataon’izy ireo. Tsy tonga hatramin’ny mpikambana ao amin’ny Hafari ity aza. Voatery nandeha tany anelanelan-tanana nefa dia mbola nojeren’ny olona fotsiny fa tsy nisy nanaraka azy na kely aza. Zara raha nisy olona 50 no nanaraka azy sy nanotrona azy. Farany dia nanatona ny ankizy nanao baolina teo ala-trano dia nijanona ka nampanantena ireto kilonga ireto fa hamboarina « terrain synthétique » io kianja kely io raha miverina amin’ny fitondrana.
Fahafaham-baraka tanteraka no nisy. Noporofoin’ny mponina eto Antananarivo fa tsy tia azy intsony ny olona. Tokony handinin-tena izy fa tsy miraharaha azy intsony ny vahoaka.
Andry Rajoelina : Afa-baraka teny amin’ny 67Ha
La gazette de la grande île
26/10/2023•46 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312607
Your IP Address: 13.59.92.247
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »