Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana : Ny kihon-dalana farany

La gazette de la grande île
13/11/202359 second read

Ity herinandro ity no kihon-dalana farany ahitana na hisy na tsy hisy ny fifidianana. Mbola samy miziriziry amin’ny heviny ny an-daniny sy ny ankilany. Ny mpomba an’i Rajoelina tsy mety manaiky ny fanahemorana ny fifidianana. Ny vahoaka miaraka amin’ny kandidà 10 tsy manaiky hatramin’izao ny fanatanterahana izany. Ny asabotsy faha 11 Novambra 2023 dia mbola nanao izay hidirany ao amin’ny kianja ny 13 may hatrany izy ireo. Voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny 7 tamin’izy ireo. Nifanenjika hatrany amin’ny elakela-trano manodidina an’Analakely ny zandary sy ireo mpanohana ny kandidà 10 ireto.
Andanin’izany indray dia nahavory olona marobe koa Razanamahasoa Christine filohan’ny antenimieram-pirenena niaraka amin’ny FFKM ny zoma teo. Mivoy ny fanahemorana ny fifidianana izy ireo miaraka amin’ny hery velona maro eto amin’ny firenena.
Mandeha ila sy malazolazo ny propagandy ataon’i Siteny sy Rajoelina manerana an’i Madagasikara. Tonga mangala akanjo sy fanomezana fotsiny ny olona rehefa mandalo izy ireo. Ampidiriny ao anaty harona ny fanomezana azony dia lasa izy ireo. Tsy mbola nisy toa izao ny tantaran’ny fifidianana teto Madagasikara. Mbola mitohy ny herisetra sy ny fisamborana olona ataon’ ny fanjakana. Miantso ny malagasy hifandamina sy hiresaka ny vondrona iraisampirenena alohan’ny fifidianana. Atahorana mafy ny hisian’ny korontana politika amin’ny herinandro miditra io.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top