Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena

La gazette de la grande île
15/11/20233 minute read

Fifidianana
Tanterahina ao anaty amboletra sy fanamparam-pahefana

Hatrany amboalohany dia efa tsy nifampatoky ny vahoaka malagasy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena taona 2023 ity. Tsy natokisan’ny olona ny rafitra rehetra izay mitantana ny fifidianana ity. Isan’ny voakasika amin’izany ny CENI na ny vaomierampirenena momba ny fifidianana fa indrindra fa ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalam-panorenana . Ity farany izay tena hita fa miovaova hevitra hatrany amin’ny fampiharana ny lalam-panorenana. Tena hita fa voabaikon’ny kandidà Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy. Tsapa fa hisy hosoka sy halatra mahatsiravina no hitranga raha ny zavatra hita eny amin’ny tontolon’ny fanantontosana ny fifidianana. Andaniny koa dia feno fampihorohoroana tanteraka no nataon’ny mpitandro ny filaminana izay miaro tanteraka an’i Andry Rajoelina. Herisetra sy fandratrana ary fampidirana am-ponja ireo mpomba ny kandidà 10 no tanjon’izy ireo ka olona am-polony maro no migadra nohon’ny fanehoany ny fanohanana kandidà. Tsy vitan’izany fa nisy ny fandratrana kandida nataon’ny zandary. Tsy afaka nanao hetsika ity kandidà ity ary voatery notsaboina atsy amin’ny nosy Maurice hatramin’izao. Ity koa no nisy fisamborana depiote nanao propagandy sy naneho hevitra ary fisamborana toa ireny akoho ampidirina ao anaty garaba ireny.
Ny mpomba an’i Andry Rajoelina indray dia avela hanao fihetsiketsehana an-kahalalahana. Misy mihitsy aza izy ireny no alefa manakorontana ny mpomba ny kandidà 10 ireto. Ampian’ny mpitandro ny filaminana sy jereny fotsiny izy ireny ary na dia hita aza fa diso dia avela hody tsy misy fanadihadiana.
Mandeha dia mandeha koa ny resaka fa tsy maintsy atao mandresy amin’ny dingana volohany i Andry Rajoelina na inona na inona hitranga. Eo anatrehan’izany dia misafotofoto ny raharaha eto amin’ny firenena. Atahorana mafy ny hisian’ny korontana. Namoaka didy ny préfet de polisy eto Antananarivo fa tsy azo atao ny mivoaka sy mivezivezy eny an-dalana manomboka amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina ny alarobia faha 15 sy ny alakamisy faha 16 Novambra 2023. Midika izany fa tsy milamina ny tany. Mifampiandry kendritokana ny mpifaninana roa tonta ka atahorana mafy ny krizy politika.
Mbola tsy nisy toa izao teto Madagascar hatramin’ny nahazoana fahaleovantena izay.

Fifidianana filoham-pirenena
Hisokatra ny birao fandatsaham-bato

Higadona rahampitso alakamisy 16 novambra 2023 ny vaninandrom-pifidianana voatondro araka ny voafaritry ny andinin-dalàna ao amin’ny lalàmpanorenana, dia ny hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fifidianana filohampirenena amin’ity taona 2023 ity. Mahatratra 27375 no isan’ny birao fandatsaham-bato izay hisokatra manomboka amin’ny 6 ora maraina. Handatsa-bato amin’izany ireo olompirenena feno 18 taona no miakatra izay miisa 11 043 836 voasoratra anatin’ny rejistry ny lisi-pifidianana. Mandritra ny fotoam-pifidianana dia hisy ireo vaomiera mpanara-maso toy ny firaisamonimpirenena ny eto an-toerana na ny avy any ivelany toy ny avy amin’ny SADC, ny Comesa, ny Vondrona Afrikana….
Ny Vondrona iraisam-pirenena koa dia nanamafy fa feno ny fepetra hanantaterahana ny fifidianana ka tsy misy tokony tsy ahafahan’i Madagasikara manantanteraka ny fifidianana filohampirenena
Ny olompirenena tsirairay dia hitondra ny kara-pifidianana sy ny kara-panondrom-pirenena rehefa hiatrika ny fifidianana izay. Ny mpanao gazety kosa dia hanatanteraka ny asany ka hampiseho ny karatra maha mpanao gazety raha tsy nahavita ilay karatra manokana ho azy ireo teny amin’ny Ceni foibe etsy Alarobia.
Hatreto ny tanjon’ny Ceni na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana dia hikarakara ny fifidianana anatin’ny mangarahara ho amin’ny fampanajana ny andinin-dalàna momba ny fifidianana filohampirenena araka ny voalazan’ny lalampanorenana. Ny fanatanterahana izany dia heverina atao anatin’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana hatrany.
Hitsahatra amin’ny 5 ora hariva kosa ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana Nosy ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2023 izay.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top