Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Razanamahasoa Christine : Lasibatry ny fanenjehana ny fitondrana

La gazette de la grande île
24/11/20232 minute read

Fampihorohoroana sy fanamparam-pahefana tanteraka no mitranga eto Madagasikara iray andro alohan’ny famoahana ny vaovao momba ny fifidianana izay hataon’ny CENI ny asabotsy faha 25 Novambra 2023.
Ny alin’ny alakamisy dia voatery nandositra niala tao amin’ny tranony tao Mandroseza ramatoa Razanamahasoa Christine sy ny vadiny satria saika nisy nisambotra. Ny olona manodidina dia nilaza fa nahita mpitandro ny filaminana maro nanodidina ity tranony teo Andohan’i Mandroseza ity izay mbola nahitana ilay faty olona dimy notifiriny zandary ny talata 21 Novambra 2023 teo. Tantara be izay mbola tsy mety vita izy io ka nahatonga ny avy ao amin’ny zandary nanao fanambarana androany zoma faha 24 Novambra 2023 ka nahenoana ny fahitany sy ny antony namonoany ireo olona ireo. Mbola niteraka tsikera maro koa nefa izany tamin’ny mpanaraka ny vaovao.

Raha ny loharanom-baovao tetsy sy teroa dia tany amin’ny ambasady iray izy ireo no nialokaloka iny alina iny. Mandiso ny filazana fa nisy saika hisambotra nefa ny avy ao zandary raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety iry ny zoma io. Hatramin’ny fotoana anoratana anefa dia lasa nisy andrimasom-pokonolona indray miambina ny toerana eny amin’ny misy an’i Razanamahasoa Christine ity amin’izao fotoana izao. Ny fandaharana iray tao amin’ny radio iray izay nahitana an’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa aza dia nanontany ny vahoakan’Ambatofinandrahana ny amin’ny fahanginany eo anatrehan’ny zavatra mahazo an’ny Razanamahasoa Christine ieaoalin’ny fiarovana ity depiote ity. Tsy misy mitsangana na iray aza fa mangina fotsiny. Matahotra ny hosamborina koa angamba
Mbola mitohy koa ny fisamborana sy ny fanaovana ramatahora isan-karazany eto amin’ny firenena tao ny raharaha SECES amin’ny fisamborana an’i filohany Profesora Sammy sy ny Randrana sendikaly Rabarison izay tazonina eny amin’ny zandary koa noho ny fanehoan-kevitra sendikaly ataony. Ampangaina fa manohitohina ny fanjakana izy ireo. Mbola misy olona maro hafa maro koa voalaza fa hosamborina ka dia ho hitantsika izany.

Efa fitondrana jadona no iainan’ny vahoaka malagasy izao. Izany no endrikiny fitondrana hoavy eo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top