Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

CENI : Tsy neken’ny malagasy maro ny vokatra navoaka vonjimaikan’ny fifidianana

La gazette de la grande île
25/11/202354 second read

58,95% ny fandresen’i Rajoelina amin’ny vokatra vonjimaika. Nanaraka azy ny an’i Siteny Randrianasoloniaiko 14,40%, i Ravalomanana Marc nahazo vato 12, 10%, ary Hery Rajaonarimampianina 5,18%.. Nahatratra 4 844 764 ny vato manankery tamin’ny 11 043 239 voasoratra anarana. Tafakatra 46,36% ny tahan’ny fahavitrihana.
Raha io vokatra tenenina io dia mandresy amin’ny dingana volohany i Andry Rajoelina.
Tsy manaiky iny vokatra iny nefa ny fikambanana maro sy ny fiarahamonim-pirenena maro ary ny kandidà 10. Isan’izany koa ny vovonan’ny fampihavanana izay tarihin’ny FFKM sy Razanamahasoa Christine izay mbola manainga ny vahoaka malagasy hiroso amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana. Razanamahasoa Christine izay filohan’ny Antenimieram-pirenena nefa dia tsy nanatrika ny famoahana ny vokatra vonjimaika nataony CENI androany asabotsy 25 novembra 2023. Toa ny tsy misy io vokatra io hoy hatrany ny fanambaran’ny kandidà 10. I Siteny Randrianasoloniaiko manokana aza dia nanao fanambarana fa ny Pv rehetra dia nahitana hosoka hatrany amin’ny 13 ny iray ka namenoana an’i Andry Rajoelina ny vatony.
Tamin’ny ankapobeny dia hita fa nangingina tanteraka ny fandraisan’ny vahoaka malagasy ny vokam-pifidianana vonjimaika iny. Mazava hoazy fa tsy maintsy hanamafy ny fandresen’i Andry Rajoelina ny HCC. Dia ho hitantsika ny tohiny satria mikorontana tanteraka ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top