Resabe tsy misy toa izany ny famonoana ireo olona nolazaina fa jiolahy mpanafika tao Andohan’i Mandroseza tamin’ny talata faha 21 Novambra 2023 lasa teo iny. Matimaty foana izy dimy lahy hoy ny feo mandeha etsy sy eroa. Tsy misy mino fa asan-jiolahy iny raharaha iny aloha hatramin’izao. Ny tranga niseho teny an-toerana no ilazana izany satria dia famonoana olona be izao no nitranga. Tifitra variraraka no nitranga tamin’izy dimy lahy. Ny andro koa atoandro be nanahary izay tsy dia tokony hisian’ny fanafihana toa ireny. Ny toerana eny amin’ny faritra iny koa dia feno olona ambony. Filohan’ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, ny ambasadaoro ny Norvège… Izay teo akaiky ny toerana nisian’ny fitifirana nataon ‘ny zandary iny.
Raha ny vaovao teny an-toerana koa dia efa nandohalika sy nibaboka i Roberto izay tale tao amin’ny atontan’isa tetsy Anosy, nefa dia mbola notifirina ihany koa. Nahoana raha nosamborina fotsiny izy ireo dia nanaovana fanadihadiana dia fantatra marina ny raharaha rehetra? Misy zavatra tsy mazava io raharaha io hoy ny mpanaraka ny vaovao. Nahoana no mangina ny avy eo amin’ny zandarimaria tsy manao toa ny fanaony andavanandro milaza ny antonin’iny fitifirana olona iny.
Nosamborina koa ny filohan’ny sendikan’ny SECES ny profesora Samy ary tazony eny amin’ny zandary miandraikitra ny raharaha ady heloka eny Fiadanana. Fantatra koa izao fa misy ny eritreritry ny mitondra ankehitriny hisambotra ny olona izay mifandray akaiky amin’i Razanamahasoa Christine filohan’ny antenimieram-pirenena. Isan’ny ao anatin’izany ny profesora Ranjeva Raymond.
Fantatra koa fa arahi-maso andro aman’alina ny trano misy ireo kandidà 10 izay nitarika ny hetsiky ny fanoherana ny fifidianana iny. Tsy izany ihany fa misy miaramila koa atao andrimaso amin’izao fotoana izao.
Tsy milamina ny tontolo politika eto Madagasikara. Nitohy ny fisamborana olona nanomboka tamin’ny volana oktobra tao anatin’ny propagandy iny. Mihamafy ny fanehoan-kery ataon’ny mpitondra fanjakana tetezamita tarihin’ny jeneraly Baomba. Mihorohoro ny rehetra ary manahy ny hisian’ny krizy politika indray. Miantomboka sahady ny fitondrana jadona.
Politika : Mihamafy ny fampihorohoroana ataon’ny fitondrana jeneraly Baomba
La gazette de la grande île
25/11/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
314437
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »