Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Andry Rajoelina : Mandresy saingy matahotra ihany koa

La gazette de la grande île
27/11/202345 second read

Tsy nisy nahasahy tena miseho fa mpandresy ny avy amin’ny antoko mpomba ny filohany Andry Rajoelina hatramin’ny asabotsy faha 25 Novambra 2023 izay namoahana ny vokatra vonjimaika tao amin’ny CENI iny.
Ireo depiote teny Tsimbazaza izay avy amin’ny mpomba ny fitondrana dia tsy matoky tena sy tsy sahy miseho loatra. Maro amin’izy ireo no sahiran-tsaina amin’ny fihetsikin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine izay tsy mety mifandray amin’ny Mapar sy ny TGV ary ireo antoko momba ny fitondrana intsony. Raha ny resaka mandeha eny anivon’ny andrim-panjakana ity dia manana na mpanohana azy iraisam-pirenena matanjaka hono ity ramatoa ity ka tsy azo harivanina ny fihetsika ataony io fa ao raha. Mandeha dia mandeha tokoa ny resaka ao Tsimbazaza ao fa ny komity iraisam-pirenena maromaro no ao an-damosin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ity.
Eo anatrehan’izany dia tsy matoky ny tenanay intsony ny mpomba an’i Rajoelina fa miroaroa hevitra ihany. Ny politikan’ny malagasy izay miankina tanteraka amin’ny komity iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top