Amin’ny asabotsy faha 16 desambra 2023 izao no hapetraka amin’ny toerany amin’ny maha filoham-pirenena malagasy azy i Andry Rajoelina. Lany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 16 Novambra 2023 lasa teo. Nahazo vato 2 tapitrisa mahery izy teo anatrehan’ny vahoaka malagasy voasoratra hifidy miisa 11 tapitrisa mahery. Izany hoe raha atao ny kajikajy dia olona 2 amin’ny Malagasy 11 (2/11)tokony hifidy no nandany azy. Tsy hijery ny lafiny lalàna sy ny olana politika nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena iny isika fa io tarehimarika voalaza eo ambony io dia ampy tsara ary miteny ho azy .
Matahotra mafy ny fanjakana ankehitriny amin’ny lanonana izay hatao ny faha 16 desambra 2023 izao ka tsy mitsahatra manao fanentanana amin’ny haino aman-jery ny hisian’ny filaminana. Ny Emmo /nat na ny miaramila sy polisy ary zandary izay natao hitandro ny filaminana dia mampitandrina ny olona izay hanao fihetsiketsehana sy hitarika korontana amin’io fotoana io fa tsy ho ekena sy hampiasa ny lalàna. Toa mahatsapa sahady fa tsy neken’ny ankamaroan’ny vahoaka iny fifidianana iny.
Tsy misy fihetsiketsehana toa io aza mampiasa ny heriny sy ny tanjany ary ny fahefany ny Emmo/nat fa indrindra fa misy izao hampisehoany ny maha miaramila azy. Fantatra koa fa hampiakarina eto Antananarivo ny miaramila sy zandary ary polisy avy any amin’ny faritra. Ny eto an-drenivohitra nefa dia efa 4 000 mahery no mitandro ny filaminana nanomboka tamin’ny fifidianana sy ny propagandy iny.
Fa dia misy inona loatra no mampatahotra mafy ny Emmo /nat sy ny fitondrana izao? Tsy fahatokisana ny fandresena tamin’ny fifidianana ve? Sa koa noho ny vokatra ratsy dia ratsy io? Olona 2/11 no mankasitraka io fanjakana io ka tsy matoky tena intsony ny fanjakana amin’ny fitiavan’ny vahoaka azy. Dia hanao ahoana izany ny fiainan’ny vahoaka malagasy mandritry ny 5 taona manaraka? Ny azo antoka dia tsy maintsy hisy ny fanamparam-pahefana sy ny didy jadona raha tarafina amin’ny zavatra mitranga ankehitriny ataon’ny fanjakana.
Fametrahana an’i Rajoelina ho filoham-pirenena : Matahotra korontana mafy ny fanjakana
La gazette de la grande île
13/12/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
314425
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »