Osa tena osa ny fanjakana malagasy raha ny raharaha nahafaty ny Kolonely Ratsimandrava ny 11 Febroary 1975 iny no asiana resaka.
11 Febroary 2024, 49 taona izay no namonoan’ny fahavalom-pirenena azy teo Ambohijatovo ambony. Nolazaina fa i Maraseta, Zimbo ary Laza Petit Jean no namono azy ka nahafaty azy teo. Avy tamin’ny ny polisy Frs (force républicaine de la sécurité) tamin’izany fotoana izany. Izy ireo nefa dia olona mpikarama ihany na voairaka fa ny tena atidoha tsy mbola fantatra hatramin’izao.
Midika avy hatrany izany fa fahalemena hoan’ny fanjakana malagasy. Tsy mbola nisy firy ny kolikoly sy ny tsy maty manota tamin’izany fotoana izany. Dia tsy nisy tohiny intsony ny raharaha iny. Tantara sisa ary angano aza izany hoan’ny taranaka aty aoriana. Tsy miraharaha izany intsony fa ny vola sisa no natao laharam-pahamehana sy mibaiko amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia tsy misy ataony raha tsy ny fametrahana voninkazo etsy amin’ny toerana voalaza fa nahafaty azy. Mampalahelo ny vady aman-janany fa indrindra fa ny taranany ankehitriny fa na ny tranony etsy Anjohy aza tsy misy fikarakarana intsony.
Mifono zavatra maro eto amin’ny firenena ny nahafaty azy iny satria samy manana ny filazany ny olona satria tsy mivoaka ny marina ary tsy nahavita ny asany ny fanjakana indrindra ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana hatramin’izao. Izany no iainana amin’izao fotoana izao ary tena mihalalina ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondrana. Izay tiana ho saziana sy hogadraina ihany no ampidirina am-ponja ankehitriny.
Kolonely Richard Ratsimandrava : Mariky ny fahosan’ny fanjakana malagasy
La gazette de la grande île
11/02/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
314521
Your IP Address: 13.59.87.145
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »