Nivoaka androany ny daty ny fifidianana depiote sy ny ben’ny tanana eto Madagasikara amin’ny taona 2024 ity. Ny fifidianana depiote dia ho tontosa amin’ny 29 May 2024. Ny ben’ny tanana indray dia ny 6 Novambra 2024.
10 millions ariary na 50 millions Fmg ny saram-mpilatsahana hofidina amin’ny depiote ity. Tena resaka vola sisa no itondrana ny firenena fa tsy fahaizana sy ny traikefa ary ny hevitra sy ny foto-kevitra izay ijoroan’ny antoko politika intsony. Tena nivadika tanteraka ny rasa ankehitriny ka diso daholo ny hevitra sy fomba ifotoran’ny firenena sy ny fanjakana hatramin’izay.
Mazava hoazy izany fa ny mpanam-bola sy ny manankarena sisa no hitondra ny firenena. Ireo ankehitriny tsy manana eritreritra raha tsy ny vola ihany. Ireo izay tsy mihevitra raha tsy ny tenany sy ny ankohonany ihany. Tsy ilaina intsony ilay fahendrena sy fihavanana sy fahatahorana an’i Zanahary.
Zava-doza no tsy maintsy ho vokatr’izany aoriana ao. Tsy misy ilàna intsony ny vahoaka intsony izay nampahantra. Raha 5 millions ariary na 25.000.0000 fmg izany teo aloha, izay efa maro no niala an-daharana ny kandidà, dia nampitombona 100% izany ankehitriny. Dia mazava hoazy fa potehina ny vahoaka sy ny demokrasia eto Madagasikara.
Tsy maintsy hisy farany izao ka ho hitantsika ny tohiny. Tena efa fanjakana jadona izao fa lainga fotsiny ilay demokrasia lazaina.
Fifidianana depiote : Natao hoan’ny mpanakarena sy ny mpanam-bola
La gazette de la grande île
12/02/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312479
Your IP Address: 3.14.246.52
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »