Tao anatin’ny telo volana izao dia miverina indray ny asan-dahalo taty amin’ny distrikan’Ambatofinanfrahana. Tao anatin’ny taona vitsy izay dia azo lazaina fa nangina tanteraka ary nilamina tanteraka ity distrika ity. Ankehitriny dia miverina ny halatr’omby, ny fanafihana maro samy hafa izay efa tsy nisy intsony. Tamin’ny Zoma faha 9 Febroary 2024 lasa teo dia notafihin’ny dahalo ny toerana misy karieram-bato tao Tsimanariloka ao amin’ny kaominina Itremo. Tsy nisy maty fa nalain’ny dahalo avokoa ny vola ny vato ary ny entana izay zakany. Olona efa aman-jatony no mitrandraka ity toerana misy vato ity. Voatery nanavotr’aina satria dia daroka sy fandrahonana no nitranga. Milaza ny olona tany an-toerana izay nanatrika ny fanafihana fa tsy hita izay nataon’ireo mpitandro ny filaminana fa nilaozany mamo amin’ny fisotroana toaka ny fiarovana ny olona.
Talohan’io dia notafihany jiolahy koa ny ramatoa iray tao amin’ny faritra faha dimy tao Ambatofinandrahana renivohitra ka nokapainy ny antsy ny tendany nefa mba afaka niaro tena ihany ity ramatoa ity ka ratra fotsiny no nahazo azy.
Nifanakaiky tamin’io fotoana io koa no nisy nanafika ny fiara nitondra ny mpampianatra tany Ambondromisotra izay nitondra ny vola fanampiana hoan’ny sekolim-panjakana. Dahalo am-polony no nanafika ny fiara » sprinter » 3 izay voatery natory teo Fiadanana ao anelanelan’i Soavina sy Ambondromisotra
Lasany avokoa ny volan’ny sekoly tamin’izany. Mba niseho azy nanohitra ity ramatoa iray ka daroka sy vono no nahazo azy ka naratra mafy.
Mahavanona, Vinany, Amborompotsy sy Mandrosonoro ary Ambalamahatsara no efa nahitana halatr’omby tao anatin’ny volana janoary 2024 iny sy ny voalohan’ny volana febroary ity. Ny tany Mandrosonoro dia niaraka tamin’ny vonoan’olona mihitsy.
Tsy hita intsony ny asan’ny Miaramila izay natao hiady amin’ny dahalo any an-toerana. Manomboka mihorohoro ny vahoaka.
Hatrany Ambositra, Manandriana ary Ikalamavony dia efa mihetsika toa izao daholo ny asan-dahalo.