Razanamahasoa Christine
Potehin’ny fitondrana tanteraka
Tsy takona nafenina intsony ny adin’i Christine Razanamahasoa sy ny mpitondra fanjakana amin’izao. Noesorin’ny mpitondra izay olona napetrak’ity ramatoa ity tao anatin’ny fitondrana io. Nanomboka hatrany amin’ny tale sy tale jeneraly izay nampidiriny tany amin’ny ministera tany. Marobe izy ireo ka tsy ho ary ho voatanisa eto. Tonga hatrany amin’ny mpanolotsaina isan-karazany tany amin’ny toerana teknika sy politika izay natolotr’ity ramatoa ity izany. Hatramin’ny fikambanana FIZAFAFI na ny fiarahan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa dia noesorina taminy koa ka ny filoha lefitry ny senatera Nicolas Rabemanantsoa indray nitarika izany ankehitriny. Fantatra koa fa nahena be ny vola nokirakirain’ity filohan’ny antenimieram-pirenena ity hatramin’izay nisian’ny ‘ny ady nisy teo amin’ ny roa tonta izao.
Mandeha dia mandeha ny resaka fa tsy maintsy atao izay haha potika ny politikan’ity Razanamahasoa Christine ity raha ny feo mivoaka avy amin’ny fitondrana ankehitriny.
Mpanohitra eto Madagasikara
Nizara roa ny 10 Kandidà
Tsy nifanaraka sahady ny mpanohitra izao fitondrana tarihin’i Andry Nirina Rajoelina, izay nivondrona tao amin’ny fikambanana 11 kandidà.
Ravalomanana Marc sy Parana Auguste sy ny tariny nitarika ekipa iray.
Hajo Andrianainarivelo sy Roland Ratsiraka nanao ekipa hafa koa. Samy miisa dimy avokoa izy ireo.
Samy nilokaloka ny hanohy ny tolona izay niarahana ary tsy hisaraka izy ireo. Ankehitriny anefa dia izao nisaraka sahady izao. Diso fanantenana ny vahoaka nanaraka azy.
Raha ny resaka mandeha dia efa nisy mikajy ny hiditra ao anatin’ny fitondrana ny sasany amin’ireo mpitarika ny tolona ireo. Ny faharoa dia misy ny milaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana izay ho depiote sy ny ben’ny tanana fa ny tolona no hatao izay hampandresy azy.
Mandeha koa nefa ny resaka fa tsy hanam-bola hamatsiana vola ny mpiara-dia aminy ireto mpitarika ny tolona miady amin’ny fitondran’ny vazaha izay nolazainy hatrany amboalohany ka nahatonga ny fifidianana nanjakan i Rajoelina tokana ihany.
Mazava hoazy izany fa tafiditra amin’ny vela-pandrika nataon’i Andry Rajoelina izy ireo.
Ny zavatra toa izao no nahaleo ny malagasy amin’ireo milaza azy ho mpanao politika ireto.
Toetr’andro
Maro ny safo-drano manerana ny faritra avaratra sy atsinanana
Tao anatin’ny efatra andro dia avy isan’andro ny orana tamin’ny faritra avaratra sy atsinananan’ny Nosy . Tonga atreto Antananarivo sy ny faritra betsileo ary ny atsimo atsinanana izany.
Olona 10 mahery no voalaza fa maty ary mahery ny 20 no tsy hita fa lasan’ny rano. Tarehy marika vonjimaika io satria ny alakamisy faha 15 Febroary 2024 dia mbola nitohy ny rotsak’orana tamin’ny faritra maro ary ity andro ratsy ity dia voalaza fa hitoetra hatramin’ny alahady. Be dia be no traboina amin’ny faritra maro fa indrindra ao Atsinanana manontolo. I Toamasina renivohitra moa dia mahery ny antsasaky ny tanàna no dibo rano. Tsy mianatra ny mpianatra. Efa an’arivony no nafindra trano.
Eo anatrehan’izany dia tsy hita loatra ny fanjakàna sy ny BNGRC na ny birao miady amin’ ny loza voajanahary. Ny filoha Andry Rajoelina sy mpanaradia azy moa variana any Dobay. Ny fantatra fa marina dia tsy manambola hitondrana famonjena ny fanjakàna.
Ankoatran’izay dia potika ny lalana manerana an’i Madagasikara. Hatramin’ny eto Antananarivo no simba izay tsy izy. Ireo namboarina tamin’ny taona 2023 iny dia efa simba sahady koa ary voa mafy nohon’ny teo aloha amin’izao fotoana izao. Ny any ambanivohitra moa efa tsy afaky ny sarety intsony ny ankamaroan’ny lalana.
Miandry ny fampandrosoanana izay lazain’i Rajoelina sy nihirahirany tamin’ny fampielezan-kevitra fa Madagasikara « tsy maintsy mandroso ». Hatramin’izao aloha dia Madagasikara mihemotra sy milentika ao anatin’ny fahantrana no iainantsika.
Fanolanana sy famosirana
Tsy manaraka ny lalàna iraisam-pirenena hoy ny Amnisty International
Nokianin’ny Amnesty International avy atsy Afrika Atsimo ilay lalana mahakasika ny fanolanana zaza izay miafara amin’ ny famosirana ilay lehilahy voapanga. Tsy manaraka ny zo ny olona izany ary mifanipaka tanteraka amin’ny lalana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona.
Matoa namoaka ny heviny toa izao ireo avy any ivelany dia mazava hoazy izany fa efa mihoatra ny fetra ny fitondrana eto Madagasikara. Manaonao foana. Ny zavatra toa izao no mahatonga ny famatsiam-bola avy any ivelany tsy ho lavorary ny fahatongavany. Mihemotra i Madagasikara noho ny ataon’ny fitondrana . Dieny aty amboalohany dia efa endrika fanjakana jadona no misy. Hanahirana ny fitondrana ity raharaha ity. Andrasana ny hevitr’i n’ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalampanorenana iny lalana iny satria izy no tompon’ny teny farany.