Fahantrana
Misy fako hariana ve?
Tena mahantra ary difotra tanteraka ao anatin’ny lavaka mangitsokitsoka ny malagasy . Tsy hilaza ny zavatra misy any amin’ny faritra atsimo izay efa tsy ahitam-bokany amin’ny ady amin’ny kere isika, na ny any atsimo atsinanana izay mitovy amin’ny any Androy, fa ny eto Antananarivo no asiana resaka.
Raha mijery ny olona mitsindroka sy mivelona amin’ny fako isika dia mitombo andro aman’alina ny fianakaviana lasa « 4mi », na ireo olona mahantra mivelona amin’ny fangatahana sy ny fitsindrohana ankehitriny. Marobe ny olona mitady fako ariana amin’izao fotoana izao ka mitety varavarana manerana an’Antananarivo. Olona tsy ampoizina hanao izany ka manontany ny tompon-trano hoe » sao dia misy fako hariana ô « . Rehefa tsy mahita fako dia miteny hoe “ sao dia misy lamba hosasana e”. Ary raha mbola tsy misy koa izany dia manontany hoe “sao dia misy takarano hatao tompoko ”.
Izany no fiainana eto Antananarivo ankehitriny.
Eny an-dalana dia tsy tenenina intsony ny olona mangataka. Tsy ampoizina velively hoe mpangataka raha mahita ny fitafiany. Mijorojoro eny amin’ny toerana izay be olona mandalo izy ireny.
Madagasikara ve dia afaka handroso amin’izany nefa ny 80%ny mponina mahantra avokoa. Mitaraina ny mpandraharaha manana vola amin’ny fanjakàna fa tsy voaloa intsony ny vola tamin’ny asa nampanaovina azy efa ho amam-bolana maro tao aorian’ny fahavitan’ny asa. Ny mpiasam-panjakàna lasa mpangataka ny ankamaroany, mitrosa vola etsy sy eroa. Ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo tsy hay tenenina intsony manerana an’i Madagasikara. Ny fanaovana takalon’aina mirongatra izay tsy izy. Izay miteny ny marina sy tsy mitovy fijery aminy fanjakàna dia gadraina sy amoronana “dossier”.
Santionany amin’ny zavatra misy eto amin’ny firenena ireo.
Randrana Sendikaly
Nilahatra nanodidina ny fitsarana teo Anosy
Ny zoma 16 Febroary 2024 dia mpiasa avy amin’ny orin’asa mpanjaitra eny Ambohimanarinamiisa 500 teo ho eo no nilahatra nanodidina ny fitsarana teo Anosy. Mitondra sora – baventy hoe “omeo sakafo izahay ”. Ny Randrana Sendikaly no nitarika azy ireo.
Voalazan’ireo mpiasa ireo fa miasa adiny valo isan’andro izy ireo ary asa mitohy izany. Tafiditra tao amin’ny fifanarahana fa anjaran’ity orinasa mpanjaitra lamba eny Anosivavaka Ambohimanarina ity no miantoka ny sakafo atoandro ho an’ireo mpiasa. Tsy izany nefa no mitranga hoy ireto mpiasa ireto. Nitory teny amin’ny fitsarana izy ireo.
Ity seho ity dia midika ity fa be dia be ny tsindry hazo lena mahazo ny mpiasa malagasy amin’ny orinasa vahiny. Fantar’izy ireo mantsy fa mahantra ny malagasy ka hararaotiny. Ny mpiasam-panjakàna koa moa efa heno fa manomana ny fitakiana ny fisondrotana ny karamany izay tsy nihetsika tao anatin’ny dimy taona.