Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanisana ny mpiasam-panjakana: Noroahin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny avy amin’ny FOP

La gazette de la grande île
19/02/20242 minute read

Androany alatsinainy faha 19 Febroary 2024, dia tonga teny amin’ny lapam-panjakana teny amin’ny Antenimierampirenena ny mpiasa avy ao amin’ny FOP na ny ministeran’ny asam-panjakana izay hanisa sy hanao fitsirihana ny tena mpiasa marina ao amin’ny toerana ity.
Avy hatrany dia noroahin’ny mpiasa sy ny sendikà ao amin’ity toerana izy ireo. Tsy niera akory tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena akory ireto mpiasa avy amin’ny FOP ireto. Manaraka izany dia tsy neken’ireo mpiasa tao Tsimbazaza ireto ny fomba nataon’ireto mpiasan’ny FOP ireto. Sady tsy mahalala fomba no tsy manaja ny sata mifehy ny asam-panjakana koa.
Dia mbola toa izany koa no nahazo ireto mpiasa avy tamin’ny FOP ireto raha tonga tao amin’ny Sénat teo Anosikely izy ireo androany. Noroahina ny mpiasa tao koa.
Milaza ireto mpiasa avy amin’ny parlemantera roa ireto fa asa fampihorohoroana no ataon’ny mpiasa-panjakana izao ka tsy azo ekena. Efa misy lehibeny ny mpiasam-panjakana isakin’ny toeram-piasana koa tsy maninona no dikaina fotsiny izy ireo. Mazava ho azy izao fa manana tetika handroaka mpiasam-panjakana tokoa ny fitondrana ity hoy ny resaka tamin’ireo toerana ireo.
Dia ho hitantsika ny tohin’ny raharaha ity fa be ny mpiasam-panjakana no tsy mankasitraka izao. Mandeha dia mandeha ny resaka fa ny fandroahana mpiasam-panjakana 50 000 izany no ao ambadiky ny raharaha ity na dia milaza ny ministera FOP ity fa tsy izany no dikan’izao fanisana ny mpiasa izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top