Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raiamandreny ara-drazana : Potehin’ny fitondrana ankehitriny

La gazette de la grande île
19/02/202453 second read

Misy vondron’olona izay ampiasan’ny fitondrana ankehitriny ho mpanohana azy amin’izao fotoana izao ka lazainy fa Raiamandreny ara-drazana. Misy ny mipetraka eto Antananarivo ary misy koa no afarana avy any amin’ ny faritra izy ireo. Lazaina fa Mpanjaka na Ampanjaka na Tangalamena izy ireny…Ny mpijery avy aty ivelany dia tsy mahalala akory fa lazainy fa Mpanjaka avokoa izy ireny nefa dia tsy misy izy akory. Ray aman-dreny dia ekena fa tsy Raiamandreny ara-drazana hoy ny mahala. Vokatr’izany dia maro no tezitra ny mahalala.
Fantatra ary fa maro misandoka ireo lazaina fa Raiamandreny ara-drazana ireo. Ataon’ny fanjakana fitaovana politika fotsiny. Mahavery Hasina ny Mpanjaka sy ireo tena Raiamandreny ara-drazana izao fomba ataon’ny fitondrana izao.
Tiana ny mampahafantatra fa tsy manao politika ny tena Raiamandreny ara-drazana araka ny Hasina sy ny toerany nametrahana azy fa mijanona ho ray aman-dreny ihany ka zanany avokoa ny malagasy rehetra na ny mpitondra firenena na ny mpanohitra.
Efa be dia be ny rafitra ara-piarahamonina eto Madagasikara no simba sy noravana ka izao potehina izao indray ny Raiamandreny ara-drazana izay mitazona ny maha malagasy ny firenena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top