Raha mijoro eo amin’ny Paositra eo Antaninarenina isika ka mijery miatsinanana manaraka ny fivarotana fanafody dia mahita saina efatra eo amin’ny trano manaraka azy amin’ny rihana voalohany eo avara-dalana . Ny iray sainan’ny anglisy, ny faharoa an’ny vondrona eropeana, ny fahatelo dia ny sainan’ny LGBT na ny olona mitovy fananahana mivady na mifankatia. Aorian’izay ny sainam-pirenena malagasy.
Dia gaga ny mahafantatra raha mahita ireo saina ireo.
Midika ve izany fa ao no foiben’ny LGBT eto Madagasikara? Ary efa eken’ny fitondrana eto Madagasikara izany ity fikambanana ity? Sa natao fisavan-dalana hidiran’ny malagasy amin’ny fanekena ny fanambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy eto Madagasikara ?
Ny sainam-pirenena na ny saina toa ireny dia tsy atsangatsangana foana raha tsy nahazoana alalana amin’ny fanjakana. Sao dia efa nisy fahazoana alalana fa efa manaiky ny LGBT ity Madagasikara? Marihina fa efa nalaza tao amin’ny antenimieram-pirenena tao Tsimbazaza ny hisian’ny ‘ny fandinihana ny mikasika ny tolo-dalàna hampidirana ny fanomezana alalana ny fanambadian’ ny mitovy fitaovam-pananahana LGBT iny ny taona 2021 tany hoany saingy nilaza mazava ramatoa Razanamahasoa Christine fa raha izy no mbola ho filohan’ny antenimieram-pirenena dia tsy hisy izany. Inona no hitranga rahampitso amin’ny fitsanganan’ny sainan’ny LGBT ao Antaninarenina ity. Nahoana ny fanjakana no tsy mihetsika amin’ny fisian’ny saina ity.
LGBT: Mihofahofa ao Antaninarenina ny sainany
La gazette de la grande île
21/02/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312446
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »