Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

PDS Antananarivo : Senatera Ramanambitana Richard no hapetraka?

La gazette de la grande île
21/02/202443 second read

Antananarivo renivohitra dia tsy misy ben’ny tanàna efa ho iray volana izay rehefa voatendry ho minisitra Naina Andriatsitohaina.
Mandeha dia mandeha ny resaka ao amin’ny mpomba ny fitondrana fa ny senatera Ramanbitana Richard no hapetraka eo. Ity olona ity dia avy ao amin’ny Upar, izay fikambana noforonin’i Ravatomanga hanohanana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
Eo anatrehan’izany dia misy tsy faly ny Mapar sy ny TGV ary ny IRD izay fikambanana sy antoko politika nanohana an’i Andry Rajoelina hatrizay.
Marihina fa miteraka olana anatiny ao amin’ny fikambanana manohana an’ i Andry Rajoelina ny fisian’ny UPAR sy ny IRD, izay ahitana ny TGV sy ny Mapar.
Sahirana ny mpomba ny fitondrana nohon’ny maha zava-dehibe ny fitantanana Antananarivo satria iankinan-javatra maro fa indrindra ny resaka politika.
Ramanambitana Richard no heverin’ny mpomba ny fitondrana fa afaka hiady amin’ny mpanohitra eto Antananarivo. Dia ho hitantsika ny tohiny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top