Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Tsy matoky fanjakana intsony ny malagasy

La gazette de la grande île
26/02/20242 minute read

Roa volana sy tapany mahery kely izao ny fitondrana tarihin’i Andry Nirina Rajoelina amin’izao mandà (mandat) faharoa itondrany ny repoblika Malagasy izao.
Korontana ara-toekarena sy ara-tsosialy no iainan’ny vahoaka malagasy hatramin’izao. Miakatra izay tsy izy ary midangana ny vidim-piainana. Nidina ambany dia ambany ny fahefa-mividy ny 90%’ ny malagasy. Tao anatin’ izay roa volana sy tapany izay dia niakatra hatrany amin’ny 50 ka hatrany amin’ny 100 % izany. Hatramin’ny anana avy no niakatra 100 % ny fidangany. Ny karaoty ve vidina 6 000 ariary izao ny kilao raha toa ka 2 000 ariary izany teo aloha. Ny siramamy tafakatra 6 000 ka hatrany amin’ny 7 000 ariary raha toa ka 5 000 ariary izay ny volana desambra 2023. Ny vary dia tafakatra 1 100ariary raha toa ka 500 ariary ny kapoaka tamin’ny taona lasa…
Potika avokoa ny lalana manerana an’i Madagasikara. Tsy misy fikarakarana. Nivadika lalan-dratsy ny lalana vita tsara teo aloha. Ny eto Antananarivo dia tsy hay tenenina intsony ny fahasimbana. Tsy mendrika izany hoe renivohitry ny firenena izany intsony.
Mahakasika ny sosialim-bahoaka indray dia nandefa fanairana ny firenena mikambana fa niakatra 52 % ny mponina amin’ny tanan-dehibe no lasa nahantra. Ny any ambanivohitra dia efa tsy tenenina intsony. Feno mpangataka manamorona ny lalam-pirenena rehetra manerana ny nosy. Ankizy ka hatramin’ny tanora sy ny antitra, sady ahitana lehilahy sy vehivavy no manotototitra lalana simba no mangataka amin’ny fiara izay mandalo. Efa mahamenatra amin’ny mpizahatany.
Tsy misy zavatra antenaina amin’ny fanjakana io intsony hoy ny resaka mandeha etsy sy eroa. Tsy tenenina intsony ny tsy fandriampahalemana fa mirongatra izay tsy izy.
Miandry ny mpamatsy vola any ivelany lava izao nefa dia hita fa efa ampitambazin’izy ireo amin’ny fiaraha-miasa. Lazainy sorabola dia tsy mahatan-damba ny filoha Andry Rajoelina nefa tarehi-marika fotsiny no omen’izy ireo.
Tsy matoky ny fanjakana intsony ny malagasy. Atahorana mafy ny krizy atsy ho atsy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top