Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana depiote : Ho hita eto ny herin’ny mpanohitra

La gazette de la grande île
28/04/202459 second read

Resaka be tsy misy fiafarany ny mahakasika ny olana politika sy toe-karena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Niarahana nahita ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo iny fa be dia be ny lesoka nitranga nandritry ny fanatanterahana ny fifidianana iny. Tsy voahaja ny fenitra demokratika hoy ny mpanohitra ary marobe ny halatra sy ny fanamparam-pahefana nitranga nataon’i Andry Rajoelina ny mpomba azy hoy hatrany izy ireo. Ny mpitondra fanjakana indray dia milaza fa mandeha araka ny tokony ho izy ny zotram-pifidianana rehetra sady madio hono. Eo anatrehan’ny samboaravoaram-politika izany dia samy miantehitra amin’ny vahoaka avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Samy milaza azy ho dadany avokoa ary samy milaza ho tompon’ny fahamarinana sy ny vahoaka avokoa.
Ankehitriny dia samy efa mangalatra « départ » avokoa amin’ny fanaovana propagandy. Mametaka sary sy mamory olona hanaovana fampielezan-kevitra daholo. Tsy miafina intsony fa tena efa manao filazana mivantana an-gazety sy ny televiziona mihitsy.
Tena miendrika fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ity fifidianana depiote indray mitoraka ity raha ny fijery azy. Dia ho hita eo ny vokatra amin’ny faha 29 May 2024 izao na hatanjaka ny mpanohatra ka ho afaka hanongana ny fitondrana io. Ary ho hita koa na mbola manana hery sy matanjaka ny fanjakana ankehitriny.

 

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top