Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

1er May : Milahadahitra dia mihirahira dia mody ny sendikan’ny mpiasa

La gazette de la grande île
01/05/202445 second read

Hafa ny taloha sy ny ankehitriny. Mpiasam-panjakana sy mpiasa malemy no misy eto Madagasikara ankehitriny. Tsy afaka miaro tena sy miady ny zony intsony. Milahadahitra sy mihirahira ary manao kabary kely dia milaza fa mitolona hoan’ ny mpiasa. Aiza ny tolona nataon’ny sendika tamin’ny taona 70 sy 80 ary 90 izay. Vao tonga ny 1er May dia matahotra ny fitondrana. Natanjaka izay tsy izy ny sendikan’ny mpiasa. Afaka niaro tsara ireo mpiasa tratran’ny tsindry hazolena tamin’izany fotoana izany. Feno tanteraka ny kianja ny 13 may ilaharan’izy ireo sy nampisehoana ny heriny. Ankehitriny dia zara raha mahazo mpiasa hilahatra ny sendikan’ny mpiasa malagasy.
Ankilany koa ny fanjakana tsy miraharaha izay mpiasa any. Ny kenda roroka no anaovany ireo mpiasa. Indray mandeha monja no nampisondrotra karama tao anatiny 5 taona. Nangina toa ny olona voan’ody sy fandraikiraikena izy rehetra. Ny mpitondra tsy miraharaha, ny entina vendrana ka dia ho hita indray ny hataon’ny sendikan’ny mpiasa amin’ny 1er May izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top