Fehezin’ny fanjakana mivantana na ankolaka ny asa fa ao an-gazety eto Madagasikara amin »izao fitondran’ i Andry Nirina Rajoelina izao. Ny vaovaom-panjaka ihany no heverin’ny mpitondra fa tokony havoaka hiely eny amin’ny hainovakijery rehetra. Rehefa tsy manaraka izany ireo orinasa fa ao anaty gazety dia ilana sotasota sy atao izay fomba rehetra hikatonany. Ny TVM sy ny RNM dia tsy hita izay maha fanjakana azy fa tsy mahazo sehatra ao ny vaovaon’ny mpanohitra. Isan’ny tratran’ny fanenjehana nataon ‘ny fanjakana ny televiziona MBS sy ny ABC izay tsy mitovy fijery amin’ny fitondrana. Natao koa izay nanapotehana ny orinasa La Gazette de la Grande Ile iray taona lasa mahery izay. Ireo gazety ireo izay taratry ny demokrasia sy ny fahalalahana teto Madagasikara. Na inona na inona fomba filaza sy zavatra hafa iampangana ireo orinasa fanaovan-gazety ireo dia noho ny tsy fahazakan’ny fanjakana ny vaovao avokan’iza ireo no antony nanakatonana azy ireo sy nanapotehana ary nilana an’isa tamin ‘izy ireo.
Tsy malalaka ihany koa ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara satria mbola maro ireo mpanao gazety no miasa anatin’ny tahotra sy ny faneriterena isan-karazany. Mihidy ny fahazoana vaovao any amin’ny ministera sy ireo orinasa maro. Mbola misy ny fanagadrana mpanao gazety na mivantana izany na ankolaka.
Isan’ny nivoitra tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovana gazety androany 3 may 2024 ireo voalaza ireo. .
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovana gazety : Asaina mandainga no sady tsy malalaka ny mpanao gazety eto Madagasikara
La gazette de la grande île
03/05/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313422
Your IP Address: 3.145.57.5
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »