Androany talata faha 8 May 2024 no nosokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny taona 2024 ity izay tsy maintsy ataon’ny antenimieram-pirenena. Depiote 38 amin’ny 151 no tonga tamin ‘izany. Ny ministra nefa dia nahatratra 24 no tonga miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Izany anefa dia nanasana ambasadaoro izay niisa 18 amin’ny 28 izay miasa eto Madagasikara. Tena nahagaga ny olona rehetra tonga tao ny fahitana ireo masoivoho vahiny marobe ireo , izay tsy mbola nisy toa izany hatramin’izay. Nifampitakoritsika ireo olona marobe tonga nanatrika tao. Vitsy noho ny mpihira n’ny antenimieram-pirenena ny depiote tonga. Tena sady mahamenatra no manala baraka iny fanokafana ny fivoriana ny antenimieram-pirenena iny. Sady fotoana fanokafana no famaranana no nisy iny satria dia nanapa-kevitra ny depiote tonga tao fa hahantona aloha ny fivoriana mandritry ny iray volana fa hamonjy propagandy indray. Toran’ny hehy moa ireo olona nahita izany sady mananihany.
Dia havela amin’izao izany ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana izay ain’ny firenena.
Tena manalabaraka ny firenena mihitsy ny raharaha toa izao. Tena kilalaon-jaza ny fanaovana politika eto Madagasikara ankehitriny. Veloma ry fandrosoana!
Fivorian’ny depiote : Sady mahamenatra no manalabaraka
La gazette de la grande île
07/05/2024•49 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312239
Your IP Address: 18.118.119.129
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »