Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Général Richard Ravalomanana : Manakiana be fahantany ny antenimieram-pirenena

La gazette de la grande île
08/05/20242 minute read

Asa mihitsy izay tian’ny filohan’ny sénat ny Jeneraly Ravalomanana Richard, izay manakiana mafy ny filohan’ny antenimieram-pirenena mpisolo toerana Jean Jacques Rabenirina nandritry ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany ny fivorian ‘ny parlemantera tamin’ny talata faha 7 May 2024.
Tia manome lesona sy mitsikera ny zavatra rehetra mitranga eto amin’ny firenena ny jeneraly Ravalomanana Richard nefa ange ny antenimieran-doholona izay tarihin’ny tsy hita mihitsy izay zavatra vitany. Impiry nandeha nidina tany amin’ny kaominina sy ny vondrom-bahoaka izay izy ireo no mpiahy azy mivantana. Aiza hoa aiza ny kaominina rehetra eto Madagasikara izao? Moramora ny manome tsiny sy mitsikera ny hafa hoy ny feo etsy sy eroa raha naheno ny fanakianana nataony iny. Raha ny fieboeboana amin’ny galona entiny isan’andro no jerena dia tena mandroso i Madagasikara hoy hatrany ny resaka mandeha etsy sy eroa. Na ny filohan’ny repoblika izay eo amboniny aza tsy mitondra ny firavaka nomena azy ireny isan’andro toa izao.
Raha tena hendry sy mahay tokoa ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny fitondrana io dia tsy tokony ho lany andro amin’ny fitsikerana ny olona tsy mitovy hevitra aminy fa ny fahantrana izay mahazo ny firenena izao no tokony hitondrany vahaolana maika hoy hatrany ny feo nandeha tao aorian’ny zavatra nataony iny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top