Nanao atrikasa momba ny fanofanana ny mpanombana ny famotsiam-bolana sy ny ady amin’ny asa fampihorohoroana ny Samifin na ny sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana eto Madagasikara izay notarihin’ny tale jeneraliny Mamitiana Rajaonarison androany talata faha 4 Jona 2024 tao amin’ny Carlton.
Tamin’ny fihaonana ity no nilazany fa maro ireo olona mpamatsy vola ny asa fampihorohoroana sy mpandio vola maloto eran-tany no nita mandalo eto Madagasikara. Na dia mbola tsy hita aza ny fampiasany izany eto dia efa ao anatin’ny sehatra ity i Madagasikara hoy hatrany ny fanambarany rehefa andalovan’ny ireo toa izao.
Mahakasika ny ady amin’ity raharaha ity dia niakatra ny laharana misy ny firenena Malagasy satria 23/40 no fahavitan’ny malagasy ny fanatanterahana ny fifanarahana iraisam-pirenena izay voasoratra ao amin’ny Gafi na ny (groupe d’action financière internationale).
Asa maikan’ny Samifin ny ady amin’ny hosoka amin’ny hetra sy ny haban-tseranana izay ahitana kolikoly be sy tsy fanarahan-dalàna.
Ny olana amin’ny Samifin ity dia ny mbola tsy fahafahany tena mandray andraikitra hatramin’izao fa mbola miankina amin’ny sampan-draharaha hafa.