Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Tsy ny fahazahoana depiote maro no zava dehibe fa ny fananan’ny vahoaka fitokisana

La gazette de la grande île
13/06/202440 second read

Tsara ihany miverina amin’ny tantara nisy teto amin’ny firenena isika mahakasika ny fahazoana depiote maro ao amin’ny Antenimierampirenena.
Ny taona 1972 dia nahazo depiote maro i Philibert Tsiranana izay filohampirenena tamin’izany fotoana izany, fa tsy ampy iray taona akory dia naongan’ny vahoaka.
Tamin’ny taona 1989 dia nanjaka tao Tsimbazaza tao ihany koa ny depiote Arema izay maro an’isa, fa niongana ny fanjakan’i Didier Ratsiraka ny taona 1991. Nikorontana teto amin’ny firenena nandritry ny taona 1989 ka hatramin’ny taona 1991.
Mbola izany ihany koa no niseho ny taona 2001-2002 fa naongan’i Ravalomanana Marc sy ny vahoaka ny fitondran’i Didier Ratsiraka.
Avy eo, teo ihany koa ny taona 2009 izay nampiongana an’i Ravalomanana Marc. Tim avokoa ny depiote tamin’izany fotoana izany.
Rehefa tsy ananan’ny vahoaka fahatokisana intsony ny fitondrana dia matetika rava toa ny voatanisa ireo.
Tsara ihany ny ahafantarana ireny tantara ireny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top