Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Volam-panjakana : Hitarika krizy lehibe eto amin’ny firenena

La gazette de la grande île
13/06/20242 minute read

Tsy takonafenina fa tsy ampy intsony ny volam-panjakana hampiodinana ny raharaham-pirenena. Nanomboka ny volana septambra 2023 no efa nandeha ny resaka fa tsy maharaka intsony ny volam-panjakana. Nanaporofo izany ny tsy fandoavana ny volan’ny orinasa malagasy maro izay nanao asa tamin’ny ministera ireny. Hatramin’izao fotoana izao dia tsy voaloa ny volan’izy ireo.
Ny volana novambra 2023 indray no niandrasana ny volam-panjakana fanampiny avy any ivelany izay mampihodina ny 70% ny filan’ny firenena amin’ny asam-panjakana nefa hatramin’izao dia tsy tonga izany vola izany.
Nanapa-kevitra ny fanjakana malagasy fa tsy handoa vola intsony afatsy ny karaman’ny mpiasam-panjakana irery ihany sy ireo mpandray fisotroan-dronono. Ny antony dia tsy ampy intsony ny vola miditra amin’ny fanjakana. Ny FEC na ny (fond élargie de crédit) izay tokony homen’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ho fanampiana an’i Madagasikara dia tsy azo koa ny andininy faha-telo satria tsy fenon’ny fitondrana malagasy ny fenitra takiana amin’izany noho ny tsy mampazava ny fitantanana teo aloha.
Voatery nahena 36% ny teti-bolam-panjakana 2024 ity satria tsy misy vola ampy hampiasana intsony ny fitondrana. Zava-doza be no vokatr’izany eo amin’ny raharaham-pirenena.
Mbola nanao fanambarana koa ny fitondrana Andry Rajoelina fa tsy handray mpiasam-panjakana amin’ity taona 2024 ity. Ny mpianatra ho polisy sy zandary ary mpandraharaha ny fonja sisa no azo raisina nefa dia mitaraina mafy izy ireo ankehitriny fa mianto-tena satria tsy manam-bola handoavana ilay antsoina hoe « pré-salaire » izay fandrain’izy ireo intsony ny mpianatra ireo amin’izao andiany izao.
Marobe ny ohatra azo raisina amin’ny tsy fananan’ny fanjakana vola intsony ankehitriny fa avela aloha ho faranana eo ny seho misy ankehitriny.
Noho izany dia mananontanona ny firenena ny krizy ara-bola lehibe. Tsy maintsy miteraka korontana ara-tsosialy sy ara-toekarena izany raha mitohy ary hiteraka hatrany amin’ny faharavan’ny fanjakana raha tsy mahita vaha olana maika ity fitondrana ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top