Governemanta vaovao
Tsy hahitana ireo minisitra nilatsaka depiote intsony
Araka ny resaka mandeha eo anivon’ny depiote Irmar na isika rehetra niaraka amin’i Andry Rajoelina dia tsy mahazo miverina minisitra intsony ireo minisitra nilatsaka ho depiote na lany na tsy lany. Noho izany dia maro no diso tetika izy ireo fa indrindra ny lisitra faharoa izay nanantena mafy ny hiakatra depiote rehefa miverina amin’ ny toerana izy ireny. Laharana faha roa izay niara nilatsaka.
Ny tena voa mafy anefa dia Lalatiana Rakotondrazafy minisitry ny fampianarana teknika teo aloha satria sady tsy lany depiote izy no tsy mahazo miverina minisitra intsony. Dia mazava ho azy izany fa hiasa eny Iavoloha indray izy hanampy ny filohampirenena Andry Rajoelina toa ireo vehivavy maro izay teo alohany.
Praiminisitra
Izay vao hiala i Ntsay Christian
Raha ny fizotran’ny raharaha politika izao dia mazava izany fa hiala amin’ny maha praiminisitra azy amin’izay i Ntsay Christian. Sarotra ny hametrahana filohan’ny andrim-panjakana roa ao amin’ny faritra iray. I Tokely Justin dia avy amin’ny faritra Diana ary Ntsay Christian dia mbola avy ao koa.
Marina fa safidin’ny depiote ny nahalany an’i Tokely Justin ho Pan nefa na izany aza dia mbola sarotra eto Madagasikara ny tsy hisian’ny fijerena ny faritra hafa. Tsy maintsy avy amin’ny faritany Fianarantsoa na Toamasina na Mahajanga na koa Toliara izany ny ho Praiminisitra eo raha ny tombatombana.
Be dia be koa nefa no milaza ny malagasy fa tsy hampiova ny fiainan’ny vahoaka izay ho tonga eo.