Anio zoma faha 12 Jolay 2024 no voantso maika eny Iavoloha ireo depiote Irmar na ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny. Voalaza fa androany no hanendrena ny Praiminisitra vaovao. Fomba fiasa vaovao sambany vao nataon’i Andry Rajoelina sy ny mpomba azy ity fahamehana ity. Matetika dia mitarazoka ny fanendrena praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ ny governemanta ity teo aloha.
Mbola tsy ampy 24 ora akory no nahalany an’i Tokely Justin ho Pan( Filohan’ny Antenimieram-pirenena) dia izao nihazakazaka maika dia maika hanendry ny Praiminisitra izao ny fitondrana.
Tena izy sa resaka sinema? Izany no resaka nandeha io atoandro io raha naheno ny vaovao ny olona. Sinema hoy maro satria tsy maintsy izay tian’ny mpitondra amin’izao ihany no ho Praiminisitra eo. Tena marina izany satria dia toa izao no nitranga raha hifidy ny Pan ny depiote. Mody mivorivory etsy amin’ ny Arena nefa ny olona hapetraka amin’ ny toerana efa voa omana mialoha.
Sinema koa ny zavatra ataon’ny Irmar sy ny filoha Andry Rajoelina fa na iza na iza no olona hotendrena eo dia tsy maintsy hisedra olana izy ary tsy afaka hanome vaha olana amin’ny fisondrotry ny solika sy ny fiainana ary ny fahantrana efa mihoampampana izao.
Praiminisitra : Manao sinema ny fitondrana
La gazette de la grande île
12/07/2024•57 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313749
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »