Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ministra Sahondramalala Marie Michelle : Nanantena ho Pan na Praiministra ka voafitaka

La gazette de la grande île
17/07/20242 minute read

Ao anatin’ny fahakiviana tanteraka ny minisitry ny fampianarana teo oloha Sahondramalala Marie Michelle, izay nilatsaka depiote tany Fianarantsoa. Nanao poadroa ity minisitra akaiky dia akaiky an’i Andry Rajoelina ity.
Raha ny fampanantenana natao taminy dia izy no tokony filohan’ny Antenimierampirenena na Pan hisolo an’i Razanamahasoa Christine. Tena efa naely izany feo izany. Tsy izany ihany fa misy koa ny resaka mandeha fa raha tsy lasa Pan dia hatao Praiministra hisolo an’i Ntsay Christian koa.
Nanao izay hahazoany poadroa ity ramatoa ity tany Fianarantsoa. Ny namany rehetra dia samy nanantena azy ho filohan’ny andrim-panjakana tanteraka . Tsy izany anefa no nitranga fa sady tsy lasa Pan no tsy voatendry ho filohan’ny governemanta koa.
Nahatsapa tena fa voafitaka Sahondramalala Marie Michelle ankehitriny ka mimenomenona izay tsy izy . Nanantena ka nangaina hoy ny fitenenana. Izy koa anefa tsy mahazo miverina ho minisitra intsony raha ny baiko ao amin’ny antokon’ny filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao.
Midika izao fa mifamitaka ny mpiara-mitolona ao amin’ny fitondrana ity. Voaporofo izany izao fa kilalao maloto no misy amin’ny fitondrana io. Tsy azo inoana fa tsy nisy ny fifanarahana tao amin’ny antokon’i Andry Rajoelina ity sy ireo olona nilatsaka depiote izay nitazona toerana ministre ireo. Mahatsapa voa mafy izy ireo ankehitriny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top