128 taona izao no nahazanatany an’i Madagasikara tamin’ny taona 1896.Ny frantsay no nanjanaka an’i Madagasikara tamin’izany rehefa avy nifanarahany tamin’ny anglisy. Ny taona 1642 no tonga teto Madagasikara ny frantsay antsoina hoe Étienne de Flacourt tamin’ny andro nanjakan’i Louis XIV tany frantsa. Nitety an’i Madagasikara izy avy any atsimo ka tonga hatrany avaratra ary nanoratra ny tantara nisy tamin’izany. Io no boky voalohany misy ny tantara tamin’ny teny frantsay voalohany teto Madagasikara. Notakian’ny Louis XIV mpanjaka ny frantsa io mba hanajajana an’i Madagasikara. Tany Taolagnaro izy no nanorim-ponenana ny taona 1642-1848. Ny taona 1859-1863 dia nalefa taty Madagasikara koa ny miaramila frantsay nantsoina hoe La Case sy ny miaramila niaraka taminy ka nanafika an’i Vohipeno izay nisy ny fanjakana natanjaka indrindra teto Madagasikara tamin’izany fotoana izany sy nanana sivilizasiona niavaka ary nanana ny Sorabe izay hany soratra teto Madagasikara ka nirakitra ny tantara teto nanomboka ny taona 1336. Io taona io no niorina ny Fanjakana voalohany teto Madagasikara izay naorin’ny mpanjaka antsoina hoe Ramakararo avy any Lameka. Noravan’i La Case io fanjakana io saingy tsy ravany fa nifindra tany Namorona raha toa ka tao Ivato Fenovola ao Vohipeno no misy ny lapa ary niverina tao Ivato Fenovola ihany Vohipeno ihany afaka 7 taona. Lasan’i LaCaze ity ny boky 100 mahery mirakitra ny tantara ny fanjakana malagasy tamin’izany andro izany, izay voasoratra amin’ny Sorabe ka miparitaka any Eropa ireo.
Ny taona 1896 no nanomboka ny lalao olimpika voalohany amin’izao andro maoderina izao tany Athènes Grèce izay naverin’ny Pierre de Coubertin. Ny » jeux olympiques antiques » dia efa 3000 taona mahery izay no niforonany ka izao naverina izao indray.
Ny tiana havoitra dia tsotra ihany. Ny taona 1896 nanombohan’ny lalao olimpika maoderina no nahazanatany frantsay an’i Madagasikara. 128 taona lasa izay. Ny lalao olimpika 2024 hatao manomboka rahampitso 26 Jolay 2024 ao Frantsa izao dia manamarika tantara ihany koa hoan’ny firenena malagasy…
Aza hadino ny tantara fa manamarika zavatra maro. Ny tantara dia tsy ny lasa ihany fa ny ankehitriny koa ary ny hoavy. Tsy afaka mandro ny olona na ny firenena raha tsy mahavoa fehy ny tantarany.
Lasa zanatany frantsay i Madagasikara
La gazette de la grande île
25/07/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312099
Your IP Address: 3.145.7.187
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »