Tsy mbola voatendry ireo izay ho anatin’ny governemanta vaovao efa andro maro izao no nahavitan’ny fifidianana. Sao dia misy olana ary? Tsy mazava mihitsy ny ho avy.
Eo anivon’ny firenena iray, dia misy foana ny olona hendry sy manam-panahy, misy ny adala, misy ny manana fahaizana, misy ny mbola mianatra , misy ny manana fahazavan-tsaina., misy ny miezaka sy manao izay fara hery hanao tsara kokoa , misy ny miandry mahazo fotsiny sy ny sisa…
Matetika anefany dia izao no zava misy eo amin’ ny fiarahamonina eo amin’ny samy zanak’olombelona rehefa misa zavatra ho tanterahana : “ Ny adala matoky tena foana , fa ny olona manan-tsaina dia misalasala indraindray ”.
Raha jerena tsy mitongilana sy ampanetre-tena ny fiatraikan’izany zava misy izany eo amin’ ny fiaramonina Malagasy dia lasa “Olana izany zava misy izany” eo amin’ny fampandrosoana an’ity tanindrazana iombonana ity , indrindra eo anivon’ny tontolo politika satria ny fahatokisan-tenan’ny mptitondra be loatra dia mety hanosika azy hanao fanampahan-kevitra tsy hamaly ny laharam-pahamehana sy ny tombontsoa any maro .
Toy izao ny zavamisy eo amin’ny tontolo politika .Iarahana malala fa samy manana ireo olona mpiara-dia aminy ny politika Malagasy tsirairay sady matoky tena be loatra nefany manana ny fahavalony koa izy ireo . Faly ny mpanao politika rehefa tsy mivadibadika ireo mpiara-dia aminy, nefany kosa mitombo ny fankahalana rehefa mivadibadika ka manimba ny fifampitokisana satria ny sasany manohy ny adalany ny sasany misalasala dia tsy misy firaisankina iasa hoan’ny tombontsoa ankapoben’ny vahoaka malagasy ny vokany.
Mahafinaritra ny maheno ny antso ho any firaisankina tohiny nataon’ ny Filoham-pirenena hampandroso any Madagasikara , ny mpanohitra ny fitondrana koa dia miantso ny firaisankina amin’ny alalan’ny “fikambanana firaisankina”.
Amin’izao fotoana izao anefany, ny ankabeazan’ny Malagasy dia efa nahatakatra fa ny antson’ireo mpitarika mpanao politika hiraina dia tsy programa politika entina hamoahana ny maro an’isa amin’ny fahantrana izay iainan’izy ireo. Raisiny izy ireo ho tohiny politika izay mandoka ny vahoaka fotsiny mba hahazoana ny fony sy ny fanohanan’izy ireo, ny antson’ny mpanao politika amin’izany firaisankina izany satria tsy fantatra mazava hoe : Inona no antony izany antso izany? nahoana? na ho an’iza? ary ahoana ny fomba hitondrana ny Firenena? hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy ary indrindra indrindra rehefa tsy mbola misy olona mpanao politika tena nieritreritra marina sy nampiseo fa miasa ho any ny ho avy ny taranaka ho avy .
Efa tonga amin’ny toerana ambany indrindra sady maizina i Madagasikara angamba ka ny hany lalana azo haleha dia miaraka miakatra fa tsy ny sasany miakatra ny sasany misitona midina indray.
Tsy tokony hisalasala intsony fa fotoana izao ho any iireo manam-panahy hampivondrona ny adala na ny hendry, na nianatra na tsy nahavita fianarana sy maro izay tsy voatanisa, amin’ny firosona mankany amin’ny mazava any ambony.
Tsy misy miheno intsony ny antso sy ny teny fandrebirebena ny saim-bahoaka nohon’ny adalana avy amin ny fahatokisan-tena be loatra. Manana ny lasany ny tsirairay teo amin’ny fifandraisana amin’ny maha mpiray tanindrazana . Noho ny zava-mitranga eo amin’ny tontolo politika, na eto an-toerana na ny any ivelany, dia tokony haneho ny fahavononany ny tsirairay, tsy misy fisalasalana, hanafoana tanteraka ny lasany ary hiaina miaraka ao anatiny ny fiaramonina madio amin’ny alàlan’ny fifampitokisana mba hamadihana ny pejy ny lasa ary hanombohana ny fanoratana pejy vaovao ho an’ny ho avy manomboka izao.
Ny mpanao politika tsy tokony hibanjina fotsiny ny fomba mba handresena amin’ny fifidianana manaraka fotsiny, fa hibanjina ny hoavy ny taranaka faram-mandimby marina eo ny andraikitra ho raisiny mba hiadanan’ny ambany ny lanitra.
Izay adala ihany no toa an-drainy. Ento miakatra miaraka amin’izay ary ity Firenena ity e!