Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fahantrana eto Madagasikara : Rangahy vadiny no manatitra an-dramatoa hivaro-tena

La gazette de la grande île
07/08/20242 minute read

Tranga mampalahelo no sady mahamenatra no misy eto Antananarivo ankehitriny. Tsy iray na roa fa efa olona maro no manao ity asa mamoafady. Raha mandeha eny Antaninarenina, Tsaralalana ary Analakely isika amin’ny hariva tokony ho amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 9ora alina dia mahita olona mpivady mifampitantana. Vetivety eo dia tsy hita rangahy fa ilay vehivavy sisa no mijorojoro eo amoron-dalana. Mivaro-tena e! Tonga ny maraina vao mangiran-dratsy dia tonga indray ilay rangahy vadiny hitsena an-dramatoa. Dia mifampisakambina indray mody.
Tsy izany ihany fa tena mampalahelo koa ny mahita ireo mpianatra avy amin’ny sekoly manodidina an’Analakely mivaro tena eo akaikin’ny Gastronomie Pizza. 5000ariary dia mandeha mamonjy tranon-dopy. Amin’ny 12 ora atoandro ka hatramin’ny 2ora fidirany mianatra no mitranga izany. Rehefa izany vao mamonjy fianarana indray. Rehefa anontaniana ireo ankizivavy ireo dia milaza fa tsy misy hividianana sakafo sy hatao saran-dalana hodiana hono.
Santionany amin’ny trangam-piarahamonina misy ankehitriny eto Madagasikara ireo. Marobe no azo lazaina. Ny tena olana goavana koa dia ny fitomboan’ny fianakaviana eto Antananarivo mivelona amin’ny fanariam-pako ankehitriny. Tsy ny olana maloto sy mpifindra monina avy any ambanivohitra intsony ka tsy mahita asa no mivelona amin’ny fako sy ny zaoridira ankehitriny fa efa tonga hatramin’ny sokajin’olona antonona koa.
Handeha aiza ity firenena ity ary inona ilay fampandrosoana lazain’ny filoha Hajaina Andry Nirina Rajoelina io?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top